Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 4:24 - DIEM PROTESTANTA

Noho izany, aoka ho sitrakao ny torohevitro, ry andriamanjaka: Mba atsaharo ny heloka amam-pahotanao, fa ny fahamarinana amam-piantrana kosa no ataovy; angamba hohalavaina ihany ny fotoan-kiadananao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, koa ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ihany ny fiadananao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Noho izany, aoka ho sitrakao ny torohevitro, ry andriamanjaka: Mba atsaharo ny heloka amam-pahotanao, fa ny fahamarinana amam-piantrana kosa no ataovy; angamba hohalavaina ihany ny fotoan-kiadananao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa aoka hankasitrahanao ny anatro ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, ka dia ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao,ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ahay ny fiadananao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa aoka hankasitrahanao ny anatro, ry mpanjaka, koa ny fahamarinana no ento mampitsahatra ny fahotanao, ary ny fiantrana ny mahantra no ento mampitsahatra ny helokao, fandrao mba hampaharetina ihany ny fiadananao.

Jereo ny toko



Daniela 4:24
14 Rohy Ifampitohizana  

Toy izany no anjara sy lova voatokan’Andriamanitra ho an’ny olon-dratsy sy voatendrin’ny teniny hianjady aminy.


Ataon’ny Tompo rakotra henatra ny mpifehy ka mirenireny an-tany foana tsy misy lalana;


sady nataony maharitra mandrakizay sy nomeny lalàna tsy azo dikaina!


–Aoka hambarako, hoy ilay mpanjaka, ny didy navoakan’ny TOMPO; fa hoy Izy tamiko: «Ianao no zanako; Rainao niteraka anao Aho manomboka anio.


Manafa-keloka ny fitiavana sy ny toetra mahatoky; ary ny fanajana ny TOMPO no ialana amin’ny ratsy.


Fitiavana sy toetra mahatoky no miaro ny mpanjaka; ary fampiharana ny marina no mahamafy orina ny fahefàny.


–Ny TOMPOn’izao rehetra izao no nanapa-kevitra hanao izany mba hanetrena ny fireharehana eo amin’izay rehetra mpitady voninahitra sy hanaovana tsinontsinona ireo rehetra nohajaina tetỳ an-tany.


Nahita hazo iray lehibe sy matanjaka ianao, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny tany tontolo izy.


Ianao io hazo io, ry mpanjaka! Fa tonga lehibe sady matanjaka ianao; ny fahalehibeazanao dia nitombo ka nahatakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany.


Nanonofy zava-nampatahotra ahy aho ka nieritreritra teo am-pandriana; fa izay hitako dia nampitebiteby ahy.