Manan-kery kokoa ny olon-droa hanoherana izay miady aminy noho ny singany miady irery. Ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
Daniela 3:16 - DIEM PROTESTANTA Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe: –Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia namaly ny mpanjaka i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia namaly i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao ka nanao hoe: –Ry Nebokadnetsara, tsy misy tokony hamalianay anao akory momba izany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin izany zavatra izany. Malagasy Bible Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany. La Bible en Malgache Dia namaly ny mpanjaka i Sadraka sy i Mesaka ary i Abed-Nego hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’izany zavatra izany. |
Manan-kery kokoa ny olon-droa hanoherana izay miady aminy noho ny singany miady irery. Ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
Nomen’ny lehiben’ny tandapa anarana vaovao izy ireo, ka i Daniela nantsoiny hoe Beltesatsara, i Hananià nantsoiny hoe Sadràka, i Misaela nantsoiny hoe Mesàka, ary i Hazarià nantsoiny hoe Habeda-Negao.
Misy anefa lehilahy jiosy izay voatendrinao hitondra ny faritanin’i Babilôna, dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; ireo lehilahy ireo dia tsy nanaja ny didinao, ry mpanjaka, tsy mety manompo an’ireo andriamanitrao, ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsanganao.
Dia loa-bolana i Nebokadnetsara ka nanao hoe: –Hisaorana anie Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; naniraka ny anjeliny manko Izy mba hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy, ka nandika ny baiko nataoko. Fa naleon’ireo kosa nanolo-tena hampijalina toy izay hanompo sy hitsaoka andriamani-kafa ankoatra ilay Andriamaniny.