kanefa ny rantsan-tongotra, izay vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia maneho tahaka izany koa fa ny ampahan’io fanjakana io dia hatanjaka ary ny ampahany kosa halemy.
Daniela 2:43 - DIEM PROTESTANTA Ny vy izay hitanao nifangaro tamin’ny tanimanga dia mampiseho ihany koa fa hifangaro amin’ny fanambadiana ireo mpanjaka; nefa tsy ho mafy io fitambarana io tahaka ny tsy mahamafy ny fitambaran’ny vy amin’ny tanimanga. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia toy izany no hiharoany amin’ny taranak’olombelona: Nefa tsy hitambatra izy, toy ny tsy fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny vy izay hitanao nifangaro tamin’ny tanimanga dia mampiseho ihany koa fa hifangaro amin’ny fanambadiana ireo mpanjaka; nefa tsy ho mafy io fitambarana io tahaka ny tsy mahamafy ny fitambaran’ny vy amin’ny tanimanga. Baiboly Protestanta Malagasy Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin’ny taranak’olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga. Malagasy Bible Ary toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia ho toy izany no hiharoany amin'ny taranak'olombelona; nefa tsy hitambatra izy, dia toy ny tsi-fetezan'ny vy miharo amin'ny tanimanga. La Bible en Malgache Toy ny nahitanao ny vy miharo tanimanga mbola fotaka, dia toy izany no hiharoany amin’ny taranak’olombelona: Nefa tsy hitambatra izy, toy ny tsy fetezan’ny vy miharo amin’ny tanimanga. |
kanefa ny rantsan-tongotra, izay vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia maneho tahaka izany koa fa ny ampahan’io fanjakana io dia hatanjaka ary ny ampahany kosa halemy.
«Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan’ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.