Daniela 2:34 - DIEM PROTESTANTA Dia nijery tsara io sarivongana io ianao mandra-piendaky ny vato iray tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana; namely an’ireo tongotra vy sy tanimanga tamin’ilay sarivongana io vato io ka nahatorotoro ny tongony roa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha nijery azy ianao dia nisy vato voaendaka nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga izany ka nahatorotoro azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nijery tsara io sarivongana io ianao mandra-piendaky ny vato iray tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana; namely an’ireo tongotra vy sy tanimanga tamin’ilay sarivongana io vato io ka nahatorotoro ny tongony roa. Baiboly Protestanta Malagasy Nijery hianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tànana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. Malagasy Bible Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin'ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy. La Bible en Malgache Raha nijery azy ianao dia nisy vato voaendaka nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ny tongony vy sy tanimanga izany ka nahatorotoro azy. |
Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Indro Aho hametraka vato iray ao Tsiôna mba hizahan-toetra anareo, dia vato fehizoro sarobidy natao ho fanorenana mafy; ka izay matoky azy tsy hihontsina.
Ho levona ny firenena sy fanjakana izay tsy mety hanompo anao; ho ringana tokoa ireny firenena ireny.
Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.
Ianareo Ejiptianina koa izao dia haripaka ary hiara-miampatra amin’ireo tsy voafora maty an’ady.
Nandrefy dimanjato metatra indray izy, ka ony tsy azoko niampitana intsony ny rano fa efa nihalalina. Eny, ony tsy azo iampitana intsony izy raha tsy amin’ny lomano.
Ny fahefà-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan’ny fanjakana rehetra eny ambanin’ny lanitra dia homena ny vahoakan’ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefà-manjakan’io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.
Noho ny hafetseny dia hamitaka ny hafa izy, ary noho ny avonavon’ny fony dia handringana olona maro mihevi-tena handry feizay; hitsangana hanohitra ny Tompon’ny Tompo, nefa kosa ho torotoro tsy kasihin-tanana akory.
Ary amin’izany andro izany i Jerosalema dia hataoko toy ny vongam-bato mavesatra eo anoloan’ny firenena rehetra; ka haratra tokoa izay mitady hanainga izany. Koa ny firenena rehetra ambonin’ny tany hiray no hiady hamely ny tanàna.
Izaho koa milaza aminao fa ianao no Vato, ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Fiangonako; ary ny herin’ny fahafatesana tsy hahatohitra ny Fiangonako.
izy ireo dia nateraka tsy araka ny fomban’olombelona miankina amin’ny sitrapon-dehilahy, fa araka ny fomban’Andriamanitra.
I Jesoa no Ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Ny vato nolavinareo mpanao trano no nanjary vato fehizoro!»
Eny, fantatsika fa raha rava ny tranolay itoerantsika eto an-tany (izany hoe ity vatantsika ity), dia manan-trano izay tsy nataon-tanan’olona fa narafitr’Andriamanitra isika, dia trano maharitra mandrakizay any an-danitra.
Fa ny Toeramasina nataon’olombelona, izay sarintsarin’ny tena izy, no nidiran’i Kristy; fa ny lanitra mihitsy no nidirany mba hahazoany ankehitriny mangataka amin’Andriamanitra ho antsika.
Ny maha vato sarobidy Azy dia ho anareo izay mino, ka «ny vato nolavin’ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro»; ho an’izay tsy mino kosa,
Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»
Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.