Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.
Daniela 2:20 - DIEM PROTESTANTA Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: «Hisaorana anie ny anaran’Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, satria Azy ny fahendrena sy ny hery! Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hoy i Daniela: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay! Azy ny fahendrena sy ny hery. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: «Hisaorana anie ny anaran’Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, satria Azy ny fahendrena sy ny hery! Baiboly Protestanta Malagasy Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery. Malagasy Bible Eny, niteny izy ka nanao hoe: Isaorana anie ny anaran'Andriamanitra mandrakizay mandrakizay, fa Azy ny fahendrena sy ny hery. La Bible en Malgache Hoy i Daniela: Isaorana anie ny anaran’Andriamanitra, hatramin’ny taloha indrindra ka ho mandrakizay! Azy ny fahendrena sy ny hery. |
Hoderaina anie Andriamanitra avo indrindra Izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao! Dia nomen’i Abrama an’i Melkitsedèka ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.
«Hisaorana anie ny TOMPO Izay nanome fiadanana ny Israelita vahoakany araka izay rehetra nolazainy; fa tanterany antsipiriany avokoa ny teny soa nampilazainy an’i Mosesy mpanompony.
Dia hoy i Davida tamin’ny olona rehetra tafangona teo: –Aoka ianareo hankalaza ny TOMPO Andriamanitrareo! Dia nankalazain’izy rehetra ilay TOMPO Andriamanitry ny razany; sady niondrika izy ka niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO sy teo anatrehan’ny mpanjaka.
Rehefa niara-nidinika tamin’ny vahoaka i Jôsafata, dia nanendry mpihira hialoha ny tafika, ka hanao fanamiana masina sady hidera ny TOMPO hanao hoe: «Miderà ny TOMPO ianareo; eny, maharitra mandrakizay ny fitiavany!»
Avy eo ry i Jesoa sy i Kadmiela, i Banỳ sy i Hasabneià, i Serebià sy i Hôdià, ary i Sebanià sy i Petahià, izay samy levita, dia niteny hoe: –Mitsangàna ka ankalazao ny TOMPO, ilay Andriamanitrareo hatrizay ka ho mandrakizay! «Hankalazaina anie, TOMPO ô, ny anaranao malaza izay ambonin’ny fisaorana sy fiderana rehetra!
Saingy Andriamanitra kosa no tompon’ny fahendrena sy ny fahefana; Azy koa ny tolo-kevitra sy ny fahalalana.
Ary izaho dia hotahirizinao tsy hanan-tsiny ka hampitoerinao mandrakizay eo anatrehanao.
Ny fiderana no sorona anomezam-boninahitra Ahy; ary izay mahitsy fitondrantena no hanehoako ny famonjeko.
–Aza mitoky amin’ny fanaovana an-keriny, aza miankina amin’ny fangalarana. Raha mitombo fananana ianareo, aza mba miraiki-po amin’izany.
Ahy ny fahaiza-mamolavola sy mampihatra; Ahy koa ny fahaiza-manavaka sy ny hery manatanteraka.
Manana fikasana lehibe Ianao ary manan-kery hanatanterahana azy. Arakao maso avokoa izay izoran’ny olombelona mba hamalianao azy araka ny fitondrantenany sy ny vokatry ny asany.
Nihambo ho hendry noho i Daniela ianao ka afaka mamantatra na dia ny zavatra miafina indrindra aza.
aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]
Ho an’Andriamanitra tokana anie ny voninahitra! Fa Izy no mahay miaro anareo tsy ho solafaka amin’ny fahotana, Izy no mahay mampijoro anareo tsy hanan-tsiny ka haheni-karavoana anareo eo anoloan’ny voninahiny;
ka nanao tamin’ny feo mahery hoe: «Ny Zanakondry, Izay efa voavono ho faty, no mendrika handray ny fahefana sy ny harena, ny fahendrena sy ny hery, ny haja sy ny voninahitra ary ny dera.»