Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiandraiki-draharaha izay voatendrin’ny lehiben’ny tandapa hikarakara azy sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià:
Daniela 2:17 - DIEM PROTESTANTA Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an’i Hananià sy i Misaela ary i Hazarià namany ny toe-javatra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary nody tany an-tranony i Daniela ka nanambara ilay zavatra tamin’i Hanania sy i Misaela ary i Azaria namany Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an’i Hananià sy i Misaela ary i Hazarià namany ny toe-javatra; Baiboly Protestanta Malagasy Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin’i Hanania sy Misaela ary Azaria namany, Malagasy Bible Ary Daniela nody tany an-tranony ka nanambara ilay teny tamin'i Hanania sy Misaela ary Azaria namany, La Bible en Malgache Ary nody tany an-tranony i Daniela ka nanambara ilay zavatra tamin’i Hanania sy i Misaela ary i Azaria namany |
Dia hoy i Daniela tamin’ny mpiandraiki-draharaha izay voatendrin’ny lehiben’ny tandapa hikarakara azy sy i Hananià ary i Misaela sy i Hazarià:
Avy eo nankany amin’ny mpanjaka i Daniela ary niangavy azy mba hanome fotoana hahazoany manambara amin’ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny.
Misy anefa lehilahy jiosy izay voatendrinao hitondra ny faritanin’i Babilôna, dia i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao; ireo lehilahy ireo dia tsy nanaja ny didinao, ry mpanjaka, tsy mety manompo an’ireo andriamanitrao, ary tsy mivavaka amin’ny sarivongana volamena izay natsanganao.
Noho izany dia mamoaka izao didy izao ho an’ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra aho hoe: «Izay manao teny tsy voahevitra ny amin’ny Andriamanitr’i Sadràka sy i Mesàka ary i Habeda-Negao dia hotetitetehina ary hatao fanariam-pako ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.»