Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 2:14 - DIEM PROTESTANTA

Ary niainga tokoa i Ariôka, lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka, mba hamono ho faty ireo olon-kendrin’i Babilôna. Kanefa teny feno fahamalinana sy fahendrena no nasetrin’i Daniela an’i Ariôka;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia novalin’i Daniela tamim-pahamendrehana sy feno fahendrena i Arioka, lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka izay efa nivoaka hamono ny olon-kendrin’i Babilona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary niainga tokoa i Ariôka, lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka, mba hamono ho faty ireo olon-kendrin’i Babilôna. Kanefa teny feno fahamalinana sy fahendrena no nasetrin’i Daniela an’i Ariôka;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia novalian’i Daniela tamin’ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin’i Babylona;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia novalian'i Daniela tamin'ny fanahy sy ny fahendrena Arioka lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, izay nivoaka hamono ny olon-kendrin'i Babylona;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia novalin’i Daniela tamim-pahamendrehana sy feno fahendrena i Arioka, lehiben’ny mpiambina ny mpanjaka izay efa nivoaka hamono ny olon-kendrin’i Babilona.

Jereo ny toko



Daniela 2:14
8 Rohy Ifampitohizana  

Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.


Ary ny mponina sisa tao an-tanàna sy ireo olona nitolo-batana ary ny mpahay taozavatra sisa dia nalefan’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ho sesitany tany Babilôna.


Tamin’ny taona faha-19 nanjakàn’i Nebokadnetsara, nony andro fahafolon’ny volana fahadimy, dia tafiditra tao Jerosalema i Nebozaradàna, filohan’ny mpiambina sady manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna.


Ny manda manodidina an’i Jerosalema dia narodan’ny miaramila babilônianina rehetra izay niaraka tamin’ny filohan’ny mpiambina.


nanontaniany momba ny antony nahahenjana ny didy navoakan’ny mpanjaka i Ariôka, dia nampahafantatra azy ny toe-javatra.


Teo anoloan’izany i Daniela dia nankany amin’i Ariôka izay voatendrin’ny mpanjaka handringana ny olon-kendry rehetra ao Babilôna, ka avy hatrany i Daniela dia niteny taminy hoe: –Aza aringana ny olon-kendrin’i Babilôna! Ento ho eo anatrehan’ny mpanjaka aho fa ny tenako no hanambara aminy ny hevitry ny nofiny.