«Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray.
Daniela 11:9 - DIEM PROTESTANTA Aorian’izany kosa io mpanjaka ao avaratra io dia hankany amin’ilay mpanjaka ao atsimo, ary dia hiverina amin’ny taniny ihany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ho tonga any amin’ny fanjakan’ny mpanjakan’ny atsimo izy, nefa hody any amin’ny taniny ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Aorian’izany kosa io mpanjaka ao avaratra io dia hankany amin’ilay mpanjaka ao atsimo, ary dia hiverina amin’ny taniny ihany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ho tonga amin’ny fanjakan’ny mpanjakan’ny atsimo izy, nefa hody any amin’ny taniny ihany. Malagasy Bible Ary ho tonga amin'ny fanjakan'ny mpanjakan'ny atsimo izy, nefa hody any amin'ny taniny ihany. La Bible en Malgache Ary ho tonga any amin’ny fanjakan’ny mpanjakan’ny atsimo izy, nefa hody any amin’ny taniny ihany. |
«Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray.
Hisafoaka ny mpanjaka ao atsimo ka hivoaka hiady amin’ny mpanjaka ao avaratra, izay hamory miaramila marobe; nefa io tafika goavana io dia hatolotra ho eo an-tanam-pahavalo.
«Ary hahery ilay mpanjaka ao atsimo; kanefa ny iray amin’ireo filohan-tafiny dia hahery kokoa noho izy ka hanapaka, ary hanana fanapahana mitatra kokoa noho ny azy aza.
Nentiny ho babo tany Ejipta avokoa ny sarivongan’ireo andriamanitr’izany tany izany miaraka amin’ny fanaka sarobidy volafotsy sy volamena; ary hijanona elaela tsy hamely an’ilay mpanjaka ao avaratra izy.
Niroso nankamin’ny faritany avaratra ny kalesy tarihin’ireo soavaly mainty; niroso nankamin’ny faritany andrefana ireo soavaly fotsy ary niroso nankamin’ny faritany atsimo ireo soavaly sada.
Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.