Fa ho solon’izany kosa dia homeny voninahitra ny andriamanitry ny tanànamimanda; andriamanitra tsy fantatry ny razany akory izany kanefa hotoloran’io mpanjaka io volamena sy volafotsy ary vatosoa mbamy zava-tsarobidy hafa.
Daniela 11:39 - DIEM PROTESTANTA Hamely ny tanànamimanda izy ombàn’io andriamanitra vahiny io; ary izay manaiky io andriamanitra io dia hampitomboiny voninahitra ka hampanapahany ny maro, sady hizaràny tany ho valisoany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Miaraka amin’ny andriamanitra hafa izy no hamely ny manda fiarovana mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra sady hataony mpanapaka ny maro ka hozarainy aminy ny tany ho valisoa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hamely ny tanànamimanda izy ombàn’io andriamanitra vahiny io; ary izay manaiky io andriamanitra io dia hampitomboiny voninahitra ka hampanapahany ny maro, sady hizaràny tany ho valisoany. Baiboly Protestanta Malagasy Dia homban’ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia. Malagasy Bible Dia homban'ny andriamani-kafa izy ka hamely ny batery mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra be sady hataony mpanapaka ny maro, ary hozarainy ho azy ny tany ho valim-pitia. La Bible en Malgache Miaraka amin’ny andriamanitra hafa izy no hamely ny manda fiarovana mafy indrindra, ary izay manaiky azy dia homeny voninahitra sady hataony mpanapaka ny maro ka hozarainy aminy ny tany ho valisoa. |
Fa ho solon’izany kosa dia homeny voninahitra ny andriamanitry ny tanànamimanda; andriamanitra tsy fantatry ny razany akory izany kanefa hotoloran’io mpanjaka io volamena sy volafotsy ary vatosoa mbamy zava-tsarobidy hafa.
«Ary amin’ny fotoana farany dia hanoto azy indray ny mpanjaka ao atsimo, nefa ny mpanjaka ao avaratra dia hipaoka azy toy tafio-drivotra miaraka amin-kalesy sy mpitaingi-tsoavaly ary sambo marobe; ary hiditra amin’ny tany isan-karazany izy ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky.