Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy hita intsony, ary levona tahaka ny fahitana amin’ny alina.
Daniela 11:19 - DIEM PROTESTANTA Dia hitodika amin’ireo tanànamimanda ao amin’ny taniny izy, kanjo tsy hahomby fa ho faty ka tsy ho hita intsony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia hiverina hankany amin’ny fiarovana mafy any amin’ny taniny izy nefa ho tafintohina sy ho lavo ka tsy ho hita intsony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hitodika amin’ireo tanànamimanda ao amin’ny taniny izy, kanjo tsy hahomby fa ho faty ka tsy ho hita intsony. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hitodika hankany, amin’ny fiarovana mafy any amin’ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita. Malagasy Bible Dia hitodika hankany, amin'ny fiarovana mafy any amin'ny taniny izy; kanjo ho tafintohina sy ho lavo izy ka tsy ho hita. La Bible en Malgache Dia hiverina hankany amin’ny fiarovana mafy any amin’ny taniny izy nefa ho tafintohina sy ho lavo ka tsy ho hita intsony. |
Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy hita intsony, ary levona tahaka ny fahitana amin’ny alina.
Fa montsamontsaniny ny olo-mahery na dia tsy misy fakana am-bava aza, ka soloiny olon-kafa ny toerany;
Raha manatona kosa ny olon-dratsy toy ny biby masiaka hamely ahy, dia ireo fahavalo mandrafy ahy ireo no ho lavo hitsikasina amin’ny tany.
Mivembena toy ny mamo ny tany ary mihevingevina toy ny tranobongo, fa mitambesatra aminy ny heloka vitany ka potraka izy ary tsy afa-miarina intsony.
Tsy afa-mandositra ny faingam-pandeha ary tsy mahavonjy tena ny mahery fo; fa any avaratra eo amoron’ny ony Eofrata izy no ho tafintohina ka hianjera.
Ho raiki-tahotra ny olona rehetra noho ny nanjo anao satria tsy ho eo intsony ianao. Hokarohina ny sisa momba anao, nefa tsy hisy hahita anao intsony na oviana na oviana; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany›. »
Nefa hisy solofo iray avy amin’ny fianakaviany hitsangana handimby ilay mpanjaka ao atsimo; ho avy izy hamely ny tafik’ilay mpanjaka ao avaratra ary hitsofoka amin’ny tanànany mimanda; ary hiady amin’io tafika io izy ka handresy azy.