Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba, dia efa nazeran’ny TOMPO sy narodany ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.
Daniela 11:10 - DIEM PROTESTANTA «Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila marobe; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana sy hanafotra; rehefa afaka izany dia hiverina izy ary hanihiny hatrany amin’ny fiarovany mafy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Fa hioman-kanafika kosa ireo zanaky ny mpanjaka ao avaratra ka hanangona miaramila marobe. Dia hiroso ny iray amin’ireo ka hihoatra sisintany ombàn-tafika sy hipariaka toy ny ranovaky; saingy nony hiverina izy, dia hananika tanànamimanda iray. Baiboly Protestanta Malagasy Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra; rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza. Malagasy Bible Fa hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila maro be; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana toy ny safotra, rehefa afaka izany, dia hiverina izy, ary hanihiny ihany na dia ny fiarovana mafiny aza. La Bible en Malgache Hanomana tafika ny zanany ka hanangona miaramila marobe; dia ho avy tokoa ireo ka hanerana sy hanafotra; rehefa afaka izany dia hiverina izy ary hanihiny hatrany amin’ny fiarovany mafy. |
Ary ny mandanao mafy sy sarotra iakarana, ry Môaba, dia efa nazeran’ny TOMPO sy narodany ka nilamaka an-tany hiafara am-bovoka.
Ary ny tafika tonga hamely ny taniny dia tsy hahatohitra azy fa hopotehiny; hovonoiny ho faty mbamin’ny filohan’ilay vahoakan’ny fanekempihavanana aza.
Fa izay olona akaiky azy ihany no hanapotika azy; ka ho resim-pahavalo ny tafiny, ary ho marobe ny faty hiampatrampatra.
Nefa hisy solofo iray avy amin’ny fianakaviany hitsangana handimby ilay mpanjaka ao atsimo; ho avy izy hamely ny tafik’ilay mpanjaka ao avaratra ary hitsofoka amin’ny tanànany mimanda; ary hiady amin’io tafika io izy ka handresy azy.
Aorian’izany kosa io mpanjaka ao avaratra io dia hankany amin’ilay mpanjaka ao atsimo, ary dia hiverina amin’ny taniny ihany.
Rehefa tapitra ny fito taona in-62, dia hisy lehilahy voahosotra iray hovonoina ho faty nefa tsy hisy hiaro azy. Ary tafika entin’ny mpitarika iray no handrava ny tanàna sy ny toera-masina; kanefa hanam-piafarana io mpitarika io fa hitosahan’ny fahatezeran’Andriamanitra; saingy mandra-pahatapitry ny ady dia hisy fandravana araka ny efa voatendry.