Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Daniela 10:9 - DIEM PROTESTANTA

Ary reko ihany ny tenin-dralehilahy; kanefa raha nandre ny feony aho, dia torana nihohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nandre ny teniny ihany anefa aho; ary nony nandre izany aho dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary reko ihany ny tenin-dralehilahy; kanefa raha nandre ny feony aho, dia torana nihohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa nandre ny teniny ihany aho; ary nony nandre izany aho, dia renoky ny torimaso niankohoka tamin'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nandre ny teniny ihany anefa aho; ary nony nandre izany aho dia renoky ny torimaso niankohoka tamin’ny tany.

Jereo ny toko



Daniela 10:9
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony efa hilentika ny masoandro, dia renoky ny torimaso lalina i Abrama, ka indro nisy haizina lehibe mampatahotra nanarona azy.


Ary ny TOMPO Andriamanitra nahatonga an-draolombelona ho sondrian-tory sy ho renoka, dia nalainy ny taolana iray tamin’ny tehezany ka nosoloany nofo.


Rehefa sondrian-tory amin’ny alina ny olona ka renoka tanteraka eo am-pandriany, dia amin’ny nofy sy fahitana no fomba itenenan’Andriamanitra;


Noho ny eritreritra misafotofoto vokatry ny nofy amin’ny alina raha sondrian-tory ny olona,


Matory aho fa ny foko mahatsiaro ihany. Injay reko ny malalako izay mandondòna sady miteny hoe: «Vohay aho, ry havako fofombadiko, ry ilay voromahailalako tsy misy tomika. Fa rakotra ando ny lohako; ary kotsan’ireo patrakalan’ny alina ny volon-dohako milantolanto.»


Fa indro nisy anankiray nanana endrik’olombelona nanendry ny molotro; dia nanoka-bava aho ka niteny tamin’ilay nitsangana teo anilako hoe: ‹Noho ny fahitana, tompoko, dia nitebiteby aho ka tsy nanan-kery intsony.


Raha mbola niteny tamiko izy, dia nihohoka tamin’ny tany ihany aho sady safotra; fa nanohina ahy izy ary nampitsangana ahy.


Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.


Nony nitsangana avy nivavaka i Jesoa, dia nankeo amin’ny mpianany, ka nahita azy ireo natory noho ny alahelo.


Sondrian-tory kosa i Petera sy ny namany, nefa mba taitra ihany ka nahita an’i Jesoa heni-boninahitra sy nahita azy roa lahy izay teo aminy.


Vao nahita ny Zanak’olona aho, dia lavo niankohoka toy ny maty teo anoloan’ny tongony. Fa nametraka teo amboniko ny tanany ankavanana Izy ka nanao hoe: –Aoka izay ny tahotra! Izaho no Voalohany sy Farany,