Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo.
2Timoty 2:11 - DIEM PROTESTANTA Azo antoka izao teny izao: «Raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty Aminy isika dia hiara-belona Aminy koa; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Azo antoka izao teny izao: «Raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa; Baiboly Katolika Teny mahatoky tokoa izao: raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; Baiboly Protestanta Malagasy Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; Malagasy Bible Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; La Bible en Malgache Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty Aminy isika dia hiara-belona Aminy koa; |
Raha afaka kelikely, dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy satria velona Aho ary ho velona koa ianareo.
Koa raha fahafatesana mifanahaka amin’ny an’i Kristy no nampiraisana antsika aminy, dia fitsanganan-ko velona mifanahaka amin’ny Azy koa no hampiraisana antsika aminy.
Voahombo tamin’ny hazofijaliana i Kristy noho ny fahalemeny, kanefa dia velona kosa izao noho ny herin’Andriamanitra. Miombona amin’ny fahalemen’i Kristy izahay ankehitriny; kanefa hiseho fa velona miaraka amin’i Kristy izahay, ka ny herin’Andriamanitra no hampiharinay aminareo.
avy eo, dia hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka; ary dia hiaraka amin’ny Tompo mandrakizay isika.
Maty ho antsika i Kristy, mba hahatonga antsika hiara-miaina aminy, na mbola velona aina isika na efa maty, amin’ny andro hiaviany.
Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin’ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin’ireny.
Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy.
Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.