Fa hoy ny Tompo taminy: –Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely.
2Timoty 1:11 - DIEM PROTESTANTA Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren’Andriamanitra ahy ho apôstôly sy ho mpampianatra; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny amin’io Filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny Jentilisa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren’Andriamanitra ahy ho apôstôly sy ho mpampianatra; Baiboly Katolika Izany Evanjely izany no nanendrena ahy ho mpitory sy Apôstôly ary mpampianatra ny Jentily; Baiboly Protestanta Malagasy ny amin’io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra. Malagasy Bible ny amin'io filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra. La Bible en Malgache Ny amin’io Filazantsara io no nanendrena ahy ho mpitory sy Apostoly ary mpampianatra ny Jentilisa*. |
Fa hoy ny Tompo taminy: –Mandehana, fa io lehilahy io dia nofidiko sy hampiasaiko mba hampahafantatra Ahy amin’ireo hafa firenena sy amin’ny mpanjaka ary amin’ny vahoaka Israely.
Tsy olona afaka ve aho? Tsy apôstôly ve aho? Tsy efa nahita an’i Jesoa Tompontsika ve aho? Tsy vokatry ny asako amin’ny fanompoako ny Tompo ve ianareo?
Te ho mpampianatra momba ny lalànan’Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany.
Ary ny hitory izany no nanendrena ahy ho mpitoriteny sady apôstôly, ho mpampianatra ny finoana tena izy amin’ny hafa firenena. Milaza ny marina aho fa tsy mandainga.