Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny andro omaly efa lasana na ora vitsivitsy amin’ny alina.
2Petera 3:8 - DIEM PROTESTANTA Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin’ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: Ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin’ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. Baiboly Katolika Izao zavatra iray loha izao anefa no aoka ho fantatrareo, ry malala: amin’ny Tompo, ny indray andro dia hoatra ny arivo taona, ary ny arivo taona dia hoatra ny indray andro. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. Malagasy Bible Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: ny indray andro amin'ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona toy ny indray andro. La Bible en Malgache Nefa, ry malala, izao zavatra iray loha izao no aoka tsy hohadinoinareo: Ny indray andro amin’ny Tompo dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro. |
Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny andro omaly efa lasana na ora vitsivitsy amin’ny alina.
Izao tsiambaratelo izao, ry havako, dia tiako ho fantatrareo tokoa, fandrao hihevi-tena ho hendry ianareo: misy mafy fo ny sasany amin’ny vahoaka Israely, mandrapiditry ny hafa firenena rehetra amin’ny famonjena.
Tiako hotsarovanareo, ry havako, izay nanjo ireo razantsika niara-dia tamin’i Mosesy. Tambanin’ny rahona izy rehetra; ary namakivaky ny Ranomasina Mena izy rehetra.
Izaho kosa, ry havako, ny amin’ireo fanomezan’ny Fanahy Masina: Irîko ny hahalalanareo ireo fanomezana ireo.