dia hotsarovako ny fanekempihavanako taminareo sy tamin’ny zava-mananaina rehetra, izany hoe ny voaary rehetra; ka tsy hisy intsony rano hanjary safo-drano handringana ny voaary rehetra.
2Petera 3:6 - DIEM PROTESTANTA Rano ihany koa no nandravana izao tontolo izao fahiny, dia tamin’ny safodrano. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ary rano nanafotra koa no nandravana izao rehetra izao; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rano ihany koa no nandravana izao tontolo izao fahiny, dia tamin’ny safodrano. Baiboly Katolika ary rano ihany koa no efa nandravana an’izao tontolo izao fahizany, tamin’ny nanasaforany azy. Baiboly Protestanta Malagasy ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin’ny nanasaforany azy; Malagasy Bible ary rano koa no nandravana izao rehetra izao taloha tamin'ny nanasaforany azy; La Bible en Malgache ary rano nanafotra koa no nandravana izao rehetra izao; |
dia hotsarovako ny fanekempihavanako taminareo sy tamin’ny zava-mananaina rehetra, izany hoe ny voaary rehetra; ka tsy hisy intsony rano hanjary safo-drano handringana ny voaary rehetra.
Raha mitana ny orana Izy, dia tonga ny hain-tany; fa raha mandefa ny rano kosa Izy, dia tondraka ny tany.
Nihinana sy nisotro ary nampaka-bady sy nampakarina ny olona tamin’izay, mandra-pigadon’ny andro nidiran’i Noà tanatin’ny sambofiara: tonga ny safodrano ary nandringana azy rehetra.
Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran’Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin’izao tontolo izao ny safodrano; i Noà valo mianaka ihany no narovan’Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.