Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Petera 3:2 - DIEM PROTESTANTA

Izy roroa dia samy entiko hampahatsiarovan-javatra anareo sy hanaitaitra ny eritreritra mahitsy anananareo; ka dia hotsarovana ny zavatra voalazan’ny mpaminany masina fahiny mbamin’ny didy nomen’ny Tompo sy Mpamonjy, didy izay nentin’ireo apôstôly nirahina ho atỳ aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina taloha sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay noentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izy roroa dia samy entiko hampahatsiarovan-javatra anareo sy hanaitaitra ny eritreritra mahitsy anananareo; ka dia hotsarovana ny zavatra voalazan’ny mpaminany masina fahiny mbamin’ny didy nomen’ny Tompo sy Mpamonjy, didy izay nentin’ireo apôstôly nirahina ho atỳ aminareo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

mba hahatsiarovanareo ny zavatra nambaran’ny mpaminany masina rahateo, mbamin’ny didin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika nampianarin’Apôstôlinareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina rahateo sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan'ny mpaminany masina rahateo sy ny didin'ny Tompo sady Mpamonjy izay nentin'ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

mba hahatsiarovanareo ny teny voalazan’ny mpaminany masina taloha sy ny didin’ny Tompo sady Mpamonjy izay noentin’ny Apostoly nirahina ho atỳ aminareo.

Jereo ny toko



2Petera 3:2
20 Rohy Ifampitohizana  

araka ny efa nambarany hatramin’ny fahagola tamin’ny alalan’ireo mpaminany masina:


Dia nohazavain’i Jesoa tamin’ireto mpianatra ny momba Azy ao amin’ny Soratra Masina manontolo, nanomboka tamin’ny bokin’i Mosesy ka nitohy tamin’ny bokin’ny mpaminany rehetra.


Avy eo i Jesoa dia nilaza taminy hoe: –Izao no efa nambarako taminareo fony Izaho mbola teo aminareo: tsy maintsy tanteraka izay rehetra voalazan’ny Soratra Masina momba Ahy ao amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany ary ny salamo.


Samy mijoro ho vavolombelona momba azy ny mpaminany rehetra ka manambara fa izay rehetra mino Azy dia hahazo famelan-keloka amin’ny anarany.


Dia nanao fotoana tamin’i Paoly ireo, ka nihamaro ny tonga tamin’ny andro voatendry, tao amin’ny trano nitoerany. Hatramin’ny maraina ka mandra-paharivan’ny andro, dia nanao famelabelarana i Paoly; vavolombelona nanambara ny Fanjakàn’Andriamanitra izy ary niezaka nandresy lahatra azy ireo momba an’i Jesoa, tamin’ny teny notsoahany avy amin’ny lalànan’i Mosesy sy ny bokin’ny mpaminany.


Notanterahin’Andriamanitra tamin’izany anefa izay voalazany tamin’ny alalan’ny mpaminany rehetra fahiny hoe: tsy maintsy hijaly ilay Mesiany.


Kanefa tsy maintsy horaisin’ny lanitra aloha Izy mandra-piavin’ny fotoana hanavaozana izao rehetra izao, araka izay nambaran’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny mpaminany masina hatramin’ny fahagola.


Mifampitondrà izay mahavesatra, fa izany no hahatanterahanareo ny lalànan’i Kristy.


Taotrano najoron’Andriamanitra ianareo, ka ny fanorenana dia ny apôstôly sy ny mpaminany; ary i Kristy Jesoa mihitsy no vato fehizoro.


Tsy mbola nampahafantarina ny olombelona izany tsiambaratelo izany tamin’ny andro lasa; fa ireo apôstôly sy mpaminany voatokana ho an’Andriamanitra kosa no nanambarana azy ankehitriny noho ny asan’ny Fanahy Masina.


tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin’ilay andro hisehoan’ilay Jesoa Kristy Tompontsika.


Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan’Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy.


Hevero fa ny fahari-pon’ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr’i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen’Andriamanitra azy.


Toy izany koa no ataony ao amin’ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin’ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin’ny teny hafa raketin’ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.


Fa izahay kosa dia avy amin’Andriamanitra; ka izay mahalala an’Andriamanitra no mihaino anay, fa izay tsy avy amin’Andriamanitra tsy mba mihaino anay. Izany no ahafantarantsika ny Fanahy fahamarinana sy ny fanahy fahadisoan-kevitra.


Ianareo kosa, ry hava-malala, tsarovy ny teny efa nolazain’ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompontsika;


Dia niankohoka teo an-tongony aho mba hitsaoka azy, satria nilazany hoe: –Tandremo, aza manao izany! Fa mpanompo miaraka aminao aho sady miaraka amin’ireo namanao iray finoana, izay mitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona. Andriamanitra no tsaohy! Eny, ny Fanahy Masina Izay manentana hilaza hafatra avy amin’Andriamanitra dia ahariharin’ny fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa.