Koa raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro any an-taniefitra ny Mesia», dia aza mankany; na hoe: «Indro ato amin’ny toera-miafina ato Izy», dia aza mino.
2Petera 3:14 - DIEM PROTESTANTA Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo. Baiboly Katolika Amin’ny fiandrasana izany, dia ataovy izay tratry ny ainareo, mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary mihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo. Baiboly Protestanta Malagasy Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany hianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. Malagasy Bible Koa amin'izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, efa mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan'ny Tompo amin'ny fihavanana. La Bible en Malgache Koa amin’izany, ry malala, satria manantena izany zavatra izany ianareo, dia mazotoa mba ho hita tsy manan-tsiny amam-pondro eo anatrehan’ny Tompo amin’ny fihavanana. |
Koa raha misy olona milaza aminareo hoe: «Indro any an-taniefitra ny Mesia», dia aza mankany; na hoe: «Indro ato amin’ny toera-miafina ato Izy», dia aza mino.
Sambatra io mpanompo io raha tonga ny tompony ka mahatratra azy manao raharaha toy izany.
Andriamanitra koa no hampiorina anareo hatramin’ny farany, ka tsy hanananareo tsiny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa amin’izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo amin’ny asan’ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo amin’ny fanompoana ny Tompo.
mba hahaizanareo mifidy izay tsara; dia hadio sady tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiavian’i Kristy ianareo,
mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia ho zanak’Andriamanitra tsy misy kilema eo afovoan’ny olo-meloka sady maditra. Eo afovoan’ireo olona ireo, dia tokony hamirapiratra toy ny kintana eny an’habakabaka ianareo,
Fa isika kosa dia mizaka ny zo maha mponin’ny lanitra; ka Mpamonjy avy any an-danitra no andrasantsika, dia i Jesoa Kristy Tompo.
Dia hampiorina ny fonareo Izy, ka tsy hanan-tsiny sy ho masina eo anatrehan’ilay Andriamanitra Raintsika ianareo, amin’ny andro hiavian’i Jesoa Tompontsika otronin’izay rehetra voatokana ho Azy.
Ilay Andriamanitra loharanon’ny fiadanana anie hahatonga anareo ho voatokana tanteraka ho Azy; ka harovany avokoa anie ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo mba tsy hanan-tsiny amin’ny andro hiavian’i Jesoa Kristy Tompontsika!
tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin’ilay andro hisehoan’ilay Jesoa Kristy Tompontsika.
toy izany koa i Kristy: voatolotra ho sorona indray mandeha monja Izy, mba hanesorana ny otan’ny besinimaro. Hiseho fanindroany Izy, kanefa tsy hanaisotra ota intsony amin’izay fa hamonjy an’ireo miandry Azy.
Fa amin’Andriamanitra Ray ny fivavahana madio sy tsy misy tsiny dia izao: ny miahy ny kamboty sy ny mpitondratena amin’ny fahoriana mahazo azy ary ny miaro tena tsy ho voapentimpentin’izao tontolo izao.
Ny volamena dia sedraina amin’ny alalan’ny afo na dia zavatra mety simba aza; ary ny finoanareo, izay sarobidy lavitra noho ny volamena, dia sedraina amin’ny alalan’ireny fitsapana ireny ka ho hita fa hahazoan’Andriamanitra dera sy voninahitra ary haja izany, amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Toy izany koa no ataony ao amin’ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin’ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan’ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin’ny teny hafa raketin’ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an’ny tenany.
Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina amin’i Kristy izany dia mitandrin-tena hanana toetra madio mba hadio toetra tahaka Azy.