–Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy nirona tamin’ny lainga na nianiana hoenti-mamitaka.
2Petera 3:1 - DIEM PROTESTANTA Ry hava-malala, ity izao no taratasy faharoa soratako ho anareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho anareo ankehitriny, koa izy roa dia samy entiko hampifoha fahatsiarovana ao aminareo, amin’ny fisainana mazava, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ry hava-malala, ity izao no taratasy faharoa soratako ho anareo. Baiboly Katolika Ry malala, ity no fanindroan’ny epistôla nosoratako ho anareo; ary izy roa dia samy entiko mampifoha ny sainareo mahitsy hitadidy tsara, Baiboly Protestanta Malagasy RY malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin’ny fampahatsiarovana, Malagasy Bible Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho aminareo ankehitriny, ka izy roroa dia samy entiko mampifoha ny sainareo madio amin'ny fampahatsiarovana, La Bible en Malgache Ry malala, ity no epistily faharoa soratako ho anareo ankehitriny, koa izy roa dia samy entiko hampifoha fahatsiarovana ao aminareo, amin’ny fisainana mazava, |
–Izay madio tanana sy mahitsy fo, izay tsy nirona tamin’ny lainga na nianiana hoenti-mamitaka.
Salamo nataon’i Asafa . Tsara mihitsy Andriamanitra amin’i Israely, dia amin’izay rehetra madio fo.
Amin’izao hahatongavako izao àry, dia tsy hananako antra intsony ireo nanota teo aloha sy ny hafa rehetra: efa voalazako izany fony aho tany aminareo fanindroany, nefa dia antitranteriko ankehitriny amin’izao aho tsy atỳ aminareo izao.
Aza maika loatra mametra-tanana amin’olona mba hanokana azy amin’ny asan’ny Tompo. Aza miombona ota amin’ny sasany; tahirizo madio ny tenanao.
Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak’Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao.
Na izany aza no teninay, ry hava-malala, dia zavatra tsara kokoa sady miantoka ny famonjena anareo no antenainay, raha ny aminareo.
Efa nandio ny fanahinareo ianareo tamin’ny nanekenareo ny fampianarana marim-pototra mba ho fitiavana tsy misy fihatsarambelatsihy no hitiavanareo ny havana iray finoana, koa mifankatiava fatratra amin’ny fonareo tokoa.
Ry hava-malala, amin’ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filàndratsin’ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny.
Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan’ny Tompo anareo.
Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan’ny hevi-dison’ireo ratsy fanahy, ka hiala amin’izay iorenanareo.
Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin’ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro.
Na dia efa fantatrareo aza ny zavatra rehetra, dia tiako hampahatsiarovina anareo ireto: rehefa novonjen’ny Tompo tanteraka ho afaka tany Ejipta ny vahokany, dia naringany ihany tatỳ aoriana izay tsy nino,