Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Petera 2:5 - DIEM PROTESTANTA

Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran’Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin’izao tontolo izao ny safodrano; i Noà valo mianaka ihany no narovan’Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

ary raha tsy namela ny tontolo taloha Izy fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, mbamin’izy fito mianaka, fony tonga tamin’ny tontolon’ny ratsy fanahy ny safodrano,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran’Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin’izao tontolo izao ny safodrano; i Noà valo mianaka ihany no narovan’Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

matoa tsy namindra fo tamin’izao tontolo izao fahiny Izy, afa-tsy tamin’i Nôe valo mianaka, mpitory ny fahamarinana, fony Izy nahatonga safodrano tamin’izao tontolo ratsy fanahy izao;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny Safodrano tamin’ny ratsy fanahy teo amin’izao tontolo izao,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

ary raha tsy namela izao rehetra izao taloha Izy, fa namonjy an'i Noa, mpitory ny fahamarinana, sy ireo fito, fony nahatonga ny safo-drano tamin'ny ratsy fanahy teo amin'izao tontolo izao,-

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

ary raha tsy namela ny tontolo taloha Izy fa namonjy an’i Noa, mpitory ny fahamarinana, mbamin’izy fito mianaka, fony tonga tamin’ny tontolon’ny ratsy fanahy ny safodrano,

Jereo ny toko



2Petera 2:5
12 Rohy Ifampitohizana  

Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.


Izao no tantaran’i Noà: i Noà dia lehilahy marina sady tsy nisy tsiny tamin’ireo mpiara-belona taminy, fa niara-nandeha tamin’Andriamanitra.


Hampidiniko any an-davaka misy ireo maty hatrizay ianao. Hamponeniko any ambanin’ny tany tahaka ireo sisan-drava fahagola ianao miaraka amin’ireo maty talohanao. Tsy ho afa-miakatra intsony ianao, ary tsy hanan-toerana eo amin’ny tanin’ny velona intsony.


Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.


Rano ihany koa no nandravana izao tontolo izao fahiny, dia tamin’ny safodrano.