Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Jaona 1:6 - DIEM PROTESTANTA

Ary izao no fitiavana, dia ny hiainantsika araka ireo didin’Andriamanitra. Ny didy, araka ny efa renareo hatramin’ny voalohany, dia ny hiainanareo amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary izao no fitiavana dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany dia ny handehananareo aminy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary izao no fitiavana, dia ny hiainantsika araka ireo didin’Andriamanitra. Ny didy, araka ny efa renareo hatramin’ny voalohany, dia ny hiainanareo amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny fitiavana dia izao: ny mandeha araka ny didiny; ary ny didiny, araka ny renareo hatramin’ny voalohany, dia izao: ny mandeha amin’ny fitiavana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izao no fitiavana, dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin'ny taloha ihany, dia ny handehananareo aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary izao no fitiavana dia ny handehanantsika araka ny didiny. Izany no didy, tahaka ny efa renareo hatramin’ny taloha ihany dia ny handehananareo aminy.

Jereo ny toko



2Jaona 1:6
14 Rohy Ifampitohizana  

Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ireo didiko.


Izay manana ireo didiko sy mitandrina azy no tia Ahy; ary izay tia Ahy dia hotiavin’ny Raiko, ary Izaho koa ho tia azy ka hiseho aminy.


Dia novaliany hoe: –Raha misy olona tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ho tia azy ny Raiko, ary Izaho sy ny Raiko dia hankao aminy ka honina ao.


Raha mitandrina ireo didiko ianareo, dia hitoetra ao amin’izany fitiavako anareo izany, tahaka ny nitandremako ireo didin’ny Raiko sy itoerako ao amin’ny fitiavana Ahy.


Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo:


dia aza henoinareo ny tenin’izany mpaminany na mpanonofy izany. Mizaha toetra anareo manko ny TOMPO Andriamanitrareo hahalalany raha tia Azy TOMPO Andriamanitra amin’ny fonareo manontolo sy amin’ny fanahinareo manontolo ianareo.


Ianareo kosa, dia ny hafatra izay efa renareo hatramin’ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo ny hafatra izay efa renareo hatramin’ny voalohany, dia hitoetra ao anatin’ny Zanaka sy ny Ray koa ianareo.


Fa na iza na iza mitandrina ny tenin’Andriamanitra, dia lavorary ao aminy marina tokoa ny fitiavana an’Andriamanitra; izany no ahafantarantsika fa tafaray amin’Andriamanitra isika.


Ry hava-malala, tsy didy vaovao no soratako aminareo, fa didy ela, izay nanananareo hatramin’ny voalohany; izany didy ela izany dia ilay teny efa renareo.


ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy na inona na inona angatahintsika, dia fantatsika koa fa azontsika izay angatahintsika aminy.


Eny, ny fitiavana an’Andriamanitra dia ny fitandremantsika ireo didiny; sady tsy mavesatra ireo didiny ireo,


Ary izao no angatahiko aminao ankehitriny, ry Andriambavy: aoka hifankatia isika! Tsy hoe didy vaovao no soratako aminao fa ilay nananantsika hatramin’ny voalohany ihany.