Heverinao fa ho vitan’ny kobaka am-bava ny tetika sy herimpo hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?
2Tantara 32:3 - DIEM PROTESTANTA dia niara-nidinika tamin’ny manampahefana sy ny mpitari-tafika izy ny amin’ny tokony hanampenana ny loharano rehetra any ivelan’ny tanàna; ka niandanian’ireo ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ry zareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara dia niara-nidinika tamin’ny manampahefana sy ny mpitari-tafika izy ny amin’ny tokony hanampenana ny loharano rehetra any ivelan’ny tanàna; ka niandanian’ireo ny mpanjaka. Baiboly Katolika dia niara-nidinika tamin’ny lehibe sy ny lehilahy maheriny izy, hanarona ny rano amin’ny loharano any ivelan’ny tanàna ka nanampy azy izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ireo. Malagasy Bible dia niara-nihevitra tamin'ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin'ny loharano eny ivelan'ny tanàna; ary nanampy azy ireo. La Bible en Malgache dia niara-nihevitra tamin’ny mpanapaka sy ny lehilahy mahery izy mba hanampina ny rano tamin’ny loharano eny ivelan’ny tanàna; ary nanampy azy ry zareo. |
Heverinao fa ho vitan’ny kobaka am-bava ny tetika sy herimpo hoenti-miady! Koa iza no itokianao no mba sahy mikomy amiko izato ianao?
Ny sisa amin’ny tantaran’i Hezekià ary koa ny herimpo isan-karazany nasehony mbamin’ny nanaovany ny dobo sy ny lakan-drano hitarika rano hankao an-tanàna, dia voasoratra ao amin’ny boky milohateny hoe Asan’ireo mpanjakan’i Joda.
I Hezekià ihany koa no nanampina ny lakan-drano ambony ao amin’ny loharanon’i Gihôna ka nampandeha azy ambanin’ny tany mba hidina mahitsy ho any andrefan’ny Tanànan’i Davida. Nambinina tamin’ny asany rehetra i Hezekià.
Dia vory maro ny olona ka nanampina ny loharano rehetra sy ilay renirano mikoriana anaty lakan-drano ambanin’ny tany. Hoy manko ireo anakampony hoe: «Tsy tokony hahita izao rano be izao ny mpanjakan’i Asiria, rehefa tonga eto!»
Ny hevitra tsara no mahatanteraka ny fikasana; ary tetika voarindra no tokony hoenti-miady.
Ry mponin’i Ninive, manangòna rano fa ho avy ny fahirano, hamafiso ny mandanareo; manditia tanimanga ho feta ka raiso ny lasi-biriky.