Noravahana vatosoa koa io efitrano io; ary ny volamena nampiasaina dia volamena avy any Parvaîma.
2Tantara 3:5 - DIEM PROTESTANTA Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny efitrano malalaka kosa dia norakofana hazo kipreso, izay nopetahana takela-bolamena madio sady voaisy ravaka miendrika sampan-drofia sy tongàlika. Baiboly Katolika Ny trano lehibe nopetahany hazo sipresa, dia nopetahany volamena madio, nasainy nasiana sarin-drofia aman-tongàlika nosokirina. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. Malagasy Bible Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. La Bible en Malgache Ny efitrano lehibe dia nopetahany hazo kipreso, izay vao nopetahany takelaka volamena tsara ireo ary noravahany hazo palma sy rojo. |
Noravahana vatosoa koa io efitrano io; ary ny volamena nampiasaina dia volamena avy any Parvaîma.
rantsana sedera no miendrika sakamandimby amin’ny tranontsika, ary hazo kipresy no toa peta-drindrina.
Varavaran-kely misy karakara vy no eny amin’ny rindrina ivelany amin’ny toeram-piambenana sy eo amin’ny rindrina mampisaraka azy; ary eo amin’ny rindrina anaty koa dia misy varavaran-kely manodidina. Voaravaka sarin-drofia ny rindrina anatiny teo amin’ny vavahady.
ka nasiana sokitra mampiseho kerobima sy rofia. Ny rofia no manelanelana ny kerobima. Ny kerobima tsirairay dia manana tarehy roa: