Tamin’ny taona faha-480 taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Salômôna tamin’i Israely, fony volana Ziva na volana faharoa no nanombohany nanorina ny tranon’ny TOMPO.
2Tantara 3:3 - DIEM PROTESTANTA Toy izao no refy naraikitr’i Salômôna hanorenana ny tranon’Andriamanitra: ny lavany araka ny nandrefesana azy dia telopolo metatra, ny haavony dia 15 metatra ary ny sakany folo metatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enimpolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Toy izao no refy naraikitr’i Salômôna hanorenana ny tranon’Andriamanitra: ny lavany araka ny nandrefesana azy dia telopolo metatra, ny haavony dia 15 metatra ary ny sakany folo metatra. Baiboly Katolika Toy izao no fototra nanorenan’i Salômôna ny tranon’Andriamanitra; Enimpolo hakiho, araka ny hakiho fandrefesana taloha ny lavany; ary roapolo hakiho ny sakany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho. Malagasy Bible Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho. La Bible en Malgache Toy izao no nanorenan’i Solomona ny tranon’Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho* taloha, dia enimpolo hakiho, ary ny sakany dia roapolo hakiho. |
Tamin’ny taona faha-480 taorian’ny nialan’ny Israelita tany Ejipta, izany hoe ny taona fahefatra nanjakàn’i Salômôna tamin’i Israely, fony volana Ziva na volana faharoa no nanombohany nanorina ny tranon’ny TOMPO.
Tamin’ny volana faharoan’ny taona fahefatra nanjakany no nanombohany nanorina ny tempoly.
ny fidirana kosa nahatratra dimy metatra ny velarany; ary roa metatra sy sasany no hatevin’ireo rindrina an-daniny roa. Ny efitrano lehibe dia nisy roapolo metatra ny lavany ary folo metatra ny sakany.