Napetraka teo afovoan’ny efitrano misy ny Vatamasina ny kerobima; ary natao mivelatra ny elany, ka ny ilany samy nipaka tamin’ny rindrina an-kilany sy an-daniny avy, ary ny elatra roa hafa kosa dia nifanendry teo afovoan’ny efitrano.
2Tantara 3:11 - DIEM PROTESTANTA Nijoro tamin’ny tongony ireo kerobima ireo, ary ny tarehiny nitodika tany amin’ny fidirana. Samy nanana elatra roa avy ireto kerobima ireto; ka ny anankiray samy nipaka tamin’ny rindrina, ary ny anankiray nifanendry teo afovoany. Roa metatra sy sasany ny fivelaran’ny elatra ka ny halavan’ny elatra mivelatra rehetra mitambatra dia folo metatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nijoro tamin’ny tongony ireo kerobima ireo, ary ny tarehiny nitodika tany amin’ny fidirana. Samy nanana elatra roa avy ireto kerobima ireto; ka ny anankiray samy nipaka tamin’ny rindrina, ary ny anankiray nifanendry teo afovoany. Roa metatra sy sasany ny fivelaran’ny elatra ka ny halavan’ny elatra mivelatra rehetra mitambatra dia folo metatra. Baiboly Katolika Roapolo hakiho no halavan’ny elatr’ireo kerobima ireo. Ny elatra anankiray amin’ny voalohany, dimy hakiho no halavany, dia mipaka amin’ny rindrin-trano, ary ny elany anankiray, dimy hakiho, dia mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray; Baiboly Protestanta Malagasy Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima anankiray; Malagasy Bible Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray; La Bible en Malgache Ny halavan’ny elatry ny kerobima dia roapolo hakiho: Ny elatry ny iray dia dimy hakiho, mipaka amin’ny rindrina; ary ny elany iray koa dia dimy hakiho sady mifanendry amin’ny elatry ny kerobima iray; |
Napetraka teo afovoan’ny efitrano misy ny Vatamasina ny kerobima; ary natao mivelatra ny elany, ka ny ilany samy nipaka tamin’ny rindrina an-kilany sy an-daniny avy, ary ny elatra roa hafa kosa dia nifanendry teo afovoan’ny efitrano.
Tao amin’ny Toeramasina Indrindra dia namboarana sarivongana kerobima anankiroa, ka metaly narendrika sady nopetahana takela-bolamena no nanaovana azy.
Nifanendry ny tendron’ny elany; ary samy nandroso ho amin’izay hitsiny avy izy, fa tsy niherika rehefa nandeha.