Ary hoy izy tamin’i Jôsafata: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
2Tantara 18:3 - DIEM PROTESTANTA ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanontaniany hoe: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao; koa hiaraka hiantafika aminao izahay. Baiboly Katolika Izao no nolazain’i Akaba mpanjakan’i Israely, tamin’i Jôsafata, mpanjakan’i Jodà: «Mba hiaraka amiko ho any Ramôta any Galaada va ianao?» Ka hoy ny navalin’i Jôsafata taminy: «Hihatra amiko ny hihatra aminao, ary hanjò ny vahoakako ny hanjò ny vahoakanao, ka hiaraka aminao hanafika azy izahay.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy Ahaba, mpanjakan’ny Isiraely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va hianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay. Malagasy Bible Ary hoy Ahaba, mpanjakan'ny Isiraely, tamin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay. La Bible en Malgache Ary hoy i Ahaba, mpanjakan’ny Israely, tamin’i Josafata, mpanjakan’ny Joda: Mba hiaraka amiko ho any Ramota-Gileada va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho ka ny oloko dia olonao; koa hiaraka aminao ho any an-tafika izahay. |
Ary hoy izy tamin’i Jôsafata: –Mba hiaraka amiko hanafika an’i Ramôta-Gilehada ve ianao? Dia novaliany hoe: –Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
ny zanakalahin’i Gebera, tao Ramôta any Gilehada, no nisahana an’i Havôta-Jaîro izay fananan’i Jaîro zanakalahin’i Manase tao Gilehada, ary koa nisahana ny faritanin’i Argôba izay tao Basàna: tanàna enimpolo nisy manda manodidina sy hidy halimo ireo;
Dia nandefa iraka hilaza amin’i Jôsafata mpanjakan’i Joda izy nanao hoe: «Nikomy tamiko ny mpanjakan’i Môaba; koa hiaraka amiko hanafika ny taniny ve ianao?» Ary hoy ny navaliny: «Eny, ho avy aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny tafiko dia tafikao ary ny soavaliko dia soavalinao.»
Taona vitsivitsy taorian’izany, dia nidina nankany amin’i Ahaba tany Samaria i Jôsafata; ary namonoan’i Ahaba ondry aman’osy sy omby betsaka izy sy ireo olona nanaraka azy. Avy eo dia notaomin’i Ahaba hanafika an’i Ramôta-Gilehada i Jôsafata
Mbola niteny tamin’ny mpanjakan’i Israely indray i Jôsafata ka nanao hoe: –Mba anontanio aloha ny tenin’ny TOMPO.
Niainga hitsena azy i Jehò mpaminany zanakalahin’i Hananỳ, ka nanao taminy hoe: –Moa ny olon-dratsy ve no tokony hampiana ary izay mpankahala ny TOMPO va no tokony hotiavinao? Noho izany, dia tezitra aminao ny TOMPO.
Aza miombona amin’ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon’ireo olona ao anatin’ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr’ireny asa ireny;