mbamin’i Tsôrehà sy i Aialôna ary i Hebrôna, izay samy tanànamimanda ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna.
2Tantara 11:9 - DIEM PROTESTANTA i Adôraîma sy i Lakisy ary i Hazekà, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Adoraima, i Lakisy, i Azeka, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Adôraîma sy i Lakisy ary i Hazekà, Baiboly Katolika i Adôrama, i Lakisa, i Azekà, Baiboly Protestanta Malagasy sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka Malagasy Bible sy Adoraima sy Lakisy sy Azeka La Bible en Malgache i Adoraima, i Lakisy, i Azeka, |
mbamin’i Tsôrehà sy i Aialôna ary i Hebrôna, izay samy tanànamimanda ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna.
Nanomboka tamin’ny andro nihatahan’i Amatsià tsy hanaraka ny TOMPO, dia nisy olona nikomy tamin’ity mpanjaka tao Jerosalema, ka nahatonga azy nandositra tany Lakisy; fa nampanaraka azy ireto mpikomy ka nampamono azy ho faty tany an-toerana.
Taorian’izay dia nanao fahirano an’i Lakisy i Saneheriba mpanjakan’i Asiria ary koa ny tafiny manontolo. Avy ao i Saneheriba no naniraka manamboninahitra hankany Jerosalema ho any amin’i Hezekià mpanjakan’i Joda sy ho any amin’ny Jodeanina rehetra nonina tao an-drenivohitra. Ka hoy ny hafatra nampitain’ireto iraka hoe:
Tamin’izay fotoana izay ny tafiky ny mpanjakan’i Babilôna dia namely an’i Jerosalema sy ireo tanànamimanda hafa tany Joda izay mbola sisa nijoro, dia i Lakisy sy i Hazekà.
Fa iny nandositra teo anoloan’ny Israelita iny ry zareo, ka tonga teo am-pidinana avy ao Bety-Hôrôna, dia nandatsahan’ny TOMPO havandra vaventy avy tany an-danitra ambara-pahatongany tao Hazekà; ka be lavitra ny matin’ny havandra noho izay naripaky ny Israelita tamin’ny sabatra.
Dia niala tao Libnà i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy ary nanao fahirano azy sy nanafika azy.
Dia nivondrona ireo mpanjaka amôrita dimy lay, izany hoe ny mpanjaka tao Jerosalema sy Hebrôna mbamin’ny mpanjaka tao Jarmôta sy Lakisy ary Heglôna, ka niakatra niaraka tamin’ny tafiny rehetra hitoby tandrifin’i Gibehôna sy hanao fahirano azy.