Hoy i Absalôma tamin’i Ahitôfela: –Mifampidiniha ianareo ny amin’izay tokony hataontsika:
2Tantara 10:6 - DIEM PROTESTANTA I Rehabohama mpanjaka kosa naka hevitra tamin’ny loholona izay mpandraharahan’i Salômôna rainy fony fahavelony, ka nanontany azy hoe: –Ahoana no hevitra omenareo havaliko an’ireo vahoaka ireo? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy hoe: Ahoana no hevitra omenareo mba hamaliana ny vahoaka? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Rehabohama mpanjaka kosa naka hevitra tamin’ny loholona izay mpandraharahan’i Salômôna rainy fony fahavelony, ka nanontany azy hoe: –Ahoana no hevitra omenareo havaliko an’ireo vahoaka ireo? Baiboly Katolika I Rôbôama kosa nila hevitra tamin’ireo zokiolona nanotrona an’i Salômôna rainy, fony fahavelony, ka nanao hoe: «Inona no hevitra omenareo havaly ity vahoaka ity?» Baiboly Protestanta Malagasy Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin’ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan’i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka? Malagasy Bible Ary Rehoboama mpanjaka naka saina tamin'ny zoki-olona izay nitoetra teo anatrehan'i Solomona rainy fony fahavelony ka nanao hoe: Ahoana no hevitra omenareo havaly ny vahoaka? La Bible en Malgache Naka hevitra tamin’ny zokiolona izay nanompo an’i Solomona rainy fony fahavelony i Rehoboama mpanjaka ka hoy izy hoe: Ahoana no hevitra omenareo mba hamaliana ny vahoaka? |
Hoy i Absalôma tamin’i Ahitôfela: –Mifampidiniha ianareo ny amin’izay tokony hataontsika:
Dia hoy ny navalin’i Rehabohama: –Rehefa afaka telo andro, dia miverena atỳ amiko indray ianareo. Dia lasa nody ny olona.
Fa hoy aho anakampoko hoe: «Aoka ny be taona hiteny, ary ny anti-panahy hampianatra ny fahendrena.»
Ny adala dia mihevitra ho mahitsy toetra; fa hendry kosa ny olona izay mandray torohevitra.
Aza mahafoy ny sakaizanao na ny naman-drainao. Raha tojo fahasahiranana ianao, aza mankany amin’ny rahalahinao, fa tsara kokoa ny mpifanila akaiky noho ny rahalahy lavitra.
Nanao hevitra kinangananga ianareo, raha naniraka ahy hanontany ny TOMPO Andriamanitrareo, ary nangataka ahy hivavaka ho anareo, ka nanao tamiko hoe: «Ampahafantaro anay avokoa izay rehetra nandidian’ny TOMPO anao, dia hataonay izany».