Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.
2Tantara 10:10 - DIEM PROTESTANTA Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia hoy ireto tovolahy ireto tamin’i Rehabohama: –Niangavian’ireo vahoaka ireo ianao hanamaivana ny zioga mavesatra nampiantsorohan-drainao azy. Koa izao no lazao aminy: «Ny ankikeliko dia lehibe noho ny sandrin-draiko. Baiboly Katolika Ka izao kosa no navalin’ireo tovolahy indray nihira taminy azy: «Izao no lazao amin’ny vahoaka, izay niteny taminao hoe: Irainao nampitondra jioga mavesatra anay, fa ianao kosa dia hamaivano aminay izany! Izao no lazao aminy: Lehibe noho ny valahan’idada ny ankikeliko. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany,–izao no lazao aminy Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan’ny raiko; Malagasy Bible Ary ireo tovolahy indray nihira taminy nanao taminy hoe: Izao no lazao amin'ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao nampitondra zioga mavesatra anay; fa inty kosa mby aminao, ka mba hamaivano aminay izany, izao no lazao aminy. Ny ankihikeliko dia lehibe noho ny valahan'ny raiko; La Bible en Malgache Ary ireo tanora indray nihira taminy dia niteny taminy hoe: Izao no lazao amin’ny vahoaka izay niteny taminao hoe: Rainao dia nampitondra zioga mavesatra anay; fa ianao kosa, mba hamaivano aminay izany! Koa izao no lazao aminy: Ny ankikeliko dia lehibe noho ny andilan’ny raiko; |
Nankany Sekema i Rehabohama, satria tao no efa nahatongavan’ny Israelita tavaratra rehetra hampanjaka azy.
Raha nampitondra zioga mavesatra anareo ny raiko, izaho kosa vao mainka hanampy trotraka izany; karavasy tsotra no namaizan-draiko anareo, fa karavasy misy faraingo kosa no hamaizako anareo.»
ka nanontaniany hoe: –Inona kosa no mba hevitra omenareo havalintsika ny vahoaka izay niangavy ahy hanamaivana ny zioga nampiantsorohan-draiko azy?
Harem-pahalalana no voaangon’ny hendry; fandringanana antomotra kosa no hateraky ny tenin’ny adala.
Matahotra ny ratsy ny hendry ka mivily miala aminy, fa misafoaka kosa ny adala satria matoky tena loatra.
Anaka, raha mitsahatra tsy mandray anatra ianao, dia hanadino faingana izay nianaranao.
Ny fahendren’olombelona sy ny fahaizana amam-pisainany dia maivana eo anatrehan’ny TOMPO.