Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




2Tantara 1:13 - DIEM PROTESTANTA

Dia niverina tany Jerosalema i Salômôna rehefa niala teo amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin’i Israely izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tonga tany Jerosalema, teo anoloan’ny tranolay fihaonana i Solomona, rehefa avy teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona; ary nanjaka tamin’ny Israely izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niverina tany Jerosalema i Salômôna rehefa niala teo amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna, izay nisy ny Tranolay fihaonana; ary nanjaka tamin’i Israely izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Avy tao amin’ny fitoerana avo tao Gabaôna sy tao amin’ny trano lay fihaonana i Salômôna, dia nody tany Jerosalema, ary nanjaka tamin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin’ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan’ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin’ny Isiraely izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary tonga tany Jerosalema Solomona avy teo amin'ny fitoerana avo tao Gibeona, dia teo anoloan'ny trano-lay fihaonana; ary nanjaka tamin'ny Isiraely izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tonga tany Jerosalema, teo anoloan’ny tranolay fihaonana i Solomona, rehefa avy teo amin’ny toerana fanaovana sorona tao Gibeona; ary nanjaka tamin’ny Israely izy.

Jereo ny toko



2Tantara 1:13
4 Rohy Ifampitohizana  

I Salômôna mpanjaka no nanjaka tamin’i Israely manontolo.


Nanangona kalesy fitondra miady sy mpitaingin-tsoavaly i Salômôna ka nanana kalesy 1 400 ary mpitaingin-tsoavaly 12 000 izay nisy natobiny tamin’ireo tanàna fitoeran-kalesy ary nisy notanany teo aminy tao Jerosalema.


Dia niara-niakatra ho any amin’ny toeram-pisoronana tao Gibehôna i Salômôna sy ny olona rehetra tafangona; fa tao no nisy ny Tranolay fihaonana tamin’Andriamanitra, dia ilay nataon’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO tany an-taniefitra.