Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Timoty 3:1 - DIEM PROTESTANTA

Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra fiangonana dia maniry asa tsara izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Azo antoka izao teny izao: raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra Fiangonana, dia maniry asa tsara izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Tena marina izao teny izao: raha misy maniry ny raharahan’ny Pretra, dia maniry raharaha tsara indrindra izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

MAHATOKY izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan'ny mpitandrina, dia maniry asa tsara izy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Mahatoky izao teny izao: Raha misy olona maniry ny asan’ny mpitondra fiangonana dia maniry asa tsara izy.

Jereo ny toko



1Timoty 3:1
19 Rohy Ifampitohizana  

Ny vokatry ny fahamarinana dia toy ny hazon’aina; ary ny hendry no mahataona olona.


Toy izany koa, hoy Aho aminareo, hisy hafaliana ho an’ny anjelin’Andriamanitra amin’ny mpanota anankiray monja miala amin’ny toetra ratsiny.


Fa izao no voalazan’ny Soratra Masina ao amin’ny bokin’ny Salamo: «Aoka ho lao ny tranony, ary aoka tsy honenan’olona akory!» Ary izao koa: «Aoka ho lasan’olon-kafa ny andraikiny!»


Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin’ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ra nafoin-Janany.


Aminareo hafa firenena dia izao kosa no teniko: araka ny maha apôstôlin’ny hafa firenena ahy, dia hajaiko ny asa fanompoana nankinina tamiko;


Ho fampitaovana ny vahoakan’Andriamanitra ireny mba hahatontosana ny asa fanompoam-piangonana, ka hirafetan’ny tenan’i Kristy.


Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo vahoakan’Andriamanitra rehetra atỳ Filipy aho, dia ianareo efa tafaray amin’i Kristy Jesoa ary ao anatin’izany ireo mpitondra Fiangonana sy diakônina. Mamangy anareo koa i Timôty. Samy mpanompon’i Kristy Jesoa izahay.


Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin’ny olona rehetra.


Azo antoka izao teny izao ka mendrika hankatoavin’ny olona rehetra: Tonga tetỳ an-tany i Kristy Jesoa mba hamonjy ny mpanota; ary izaho no faraidiny amin’ireny.


Azo antoka izany teny izany, ka mendrika hankatoavina tanteraka.


Azo antoka izao teny izao: «Raha niara-maty tamin’i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa;


Eny, ny mpitondra Fiangonana dia mpandraharaha ny asan’Andriamanitra, ka tokony ho olona tsy manan-tsiny, tsy mitompo teny fantatra, tsy mora tezitra, tsy mpidoroka, tsy mahery vaika, tsy maloto fila harena;


Teny azo antoka izany! Tiako hoantitranterinao ireo zavatra ireo mba himasoan’ny mpino an’Andriamanitra hiezaka manao asa tsara; izany no tsara sady mahasoa ny olona.


Mitandrema tsara mba tsy hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Aoka mba tsy hisy ho tonga ahitra mangidy mitrebona ka hanapoizina sy hanimba ny maro.


Eny, efa toy ny ondry nania ianareo, nefa ankehitriny dia tafaverina amin’ilay mpiandry sy mpitandrina ny fanahinareo.


Eny, aoka aminareo tsy hisy hijaly satria mpamono olona, na mpangalatra, na mpanao ratsy, na mpitsabaka amin’ny raharahan’olona;


Aoka ianareo ho mpiandry ny andianondry napetrak’Andriamanitra hiandraiketanareo, ka hitandrina azy tsy an-terivozona fa an-tsitrapo araka an’Andriamanitra: tsy amim-pitiavan-karena fa amin-jotom-po,