Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.
1Timoty 1:7 - DIEM PROTESTANTA Te ho mpampianatra momba ny lalànan’Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izy ireny dia te ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Te ho mpampianatra momba ny lalànan’Andriamanitra ry zareo kanefa tsy fantany velively ny zavatra lazainy sy itompoany. Baiboly Katolika mihambo ho mpampiana-dalàna izy ireny, nefa tsy mahalala izay lazainy sy itompoany ho marina akory. Baiboly Protestanta Malagasy dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany. Malagasy Bible dia olona izay te-ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany. La Bible en Malgache Izy ireny dia te ho mpampiana-dalàna, kanefa tsy fantany akory izay lazainy na izay itompoany. |
Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.
Koa dia izao no navalin-dry zareo an’i Jesoa: –Tsy hitanay izay holazaina! Ary hoy i Jesoa taminy: –Izaho koa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako an’izao zavatra izao.
Tamin’ny andro fahatelo vao hitany tao an-kianjan’ny tempoly i Jesoa mipetraka teo afovoan’ireo mpampianatra jiosy ka mihaino sady manontany an-dry zareo.
Nisy kristianina sasany nidina avy tany Jodea, tonga tao Antiôkia ka nikatroka nampianatra ny havana iray finoana hoe: «Tsy ho voavonjy ianareo raha tsy foràna araka ny fomba amam-panao voalazan’ny lalànan’i Mosesy.»
Izaho ihany no tiako ho fantatra avy aminareo: noho ianareo nanatanteraka ny lalàna ve nandraisanareo ny Fanahy Masina sa noho ianareo nihaino sy nino ny Vaovao Mahafaly?
Rehefa manome anareo ny Fanahy Masina sy manefa asa mahery eo anivonareo àry Andriamanitra, moa ve noho ianareo manatanteraka ny lalàna no mahatonga izany sa noho ianareo mihaino sy mino ny Vaovao Mahafaly?
Hono ho’aho, ianareo izay te hofehezin’ny lalàna, tsy renareo ve izay ambaran’ny lalàna?
dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan’ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr’izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy,
vehivavy mianatra lalandava nefa tsy afaka hahalala ny fampianarana marim-pototra na oviana na oviana.
Ry havako, aza dia maro loatra no te ho mpampianatra, satria fantatrareo fa hotsaraina mafy kokoa izahay mpampianatra.
Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina: