Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe: –Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy.
1Petera 3:10 - DIEM PROTESTANTA Fa izao no tenin’ny Soratra Masina: «Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 «Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa dia aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa izao no tenin’ny Soratra Masina: «Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka; Baiboly Katolika Fa izay te ho tia ny fiainana sy hahita andro tsara, dia aoka hiaro ny lelany amin’ny ratsy, Baiboly Protestanta Malagasy ,,Fa na iza na iza maniry fiainana Sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. Malagasy Bible "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; La Bible en Malgache «Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta hahita andro soa dia aoka izy hiaro ny lelany amin’ny ratsy ary ny molony mba tsy hiteny fitaka. |
Fa mbola namaly ny Tompo i Satàna ka nanao hoe: –Hoditra solon’ny hoditra. Izay ananan’ny olona dia homeny hiarovany ny ainy.
Nandeha faingana noho ny mpihazakazaka ny androko, ka nandositra tsy nahita hasambarana akory,
Aoka hahita ny fandrosoan’ireo voafidinao aho ary hiombom-pifaliana amin’ny vahoakanao sy hiara-miravoravo amin’ireo voatokana ho Anao!
Inona ny amiko raha tsy natoky aho fa hahita ny hatsarampon’ny TOMPO eto amin’ity tany iainantsika ity?
Fa andro lava sy taona maro iainana ka hiadam-pinaritra hatrany no ho vokatr’ireny ho an’ny tenanao:
Tapa-kevitra aho hamalifaly tena amin’ny divay ka hisary adala, nefa dia mbola hanam-pahendrena ho tompon’ny tenako ihany. Mba tiako ho fantatra manko izay tsara tokony hataon’ny olona mandritra ny androm-piainany fohy etỳ ambonin’ny tany.
Dia hoy i Jesoa taminy: –Nahoana Aho no anontanianao ny amin’izay tsara? Tokana no tsara tapitra ohatra. Raha te hiroso amin’ny fiainana kosa ianao, dia tandremo ny didy!
Fa izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy; ary izay hahafoy ny ainy, noho ny fitiavany Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly, no hahavonjy azy.
Nahita an’i Natanaela tamy nanatona Azy i Jesoa ka izao no teniny momba an’i Natanaela: –Izany ka tena Israelita tsy misy fitaka!
Izay mandala ny ainy no hahavery azy; fa izay tsy mandala ny ainy eto amin’izao tontolo izao no hitahiry azy ho aina maharitra mandrakizay.
Tsy zava-poana ho anareo izany fa fiainanareo; izany teny izany no hahamaro andro anareo any amin’ny tany izay efa halainareo ho fananana, rehefa tafita an’i Jôrdàna ianareo.
Raha misy manao ny tenany ho mpivavaka saingy tsy mahafehy ny lelany, dia mamita-tena ka zava-poana ny fivavahan’izany olona izany.
Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin’ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany.