Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.
1Petera 2:23 - DIEM PROTESTANTA notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin’Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin’Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny; Baiboly Katolika Izy Ilay notevatevaina nefa tsy nanevateva, nijaly nefa tsy mba nandrahona, fa nanolo-tena tamin’ny mpitsara Azy tsy an-drariny; Baiboly Protestanta Malagasy raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin’ny Mpitsara marina; Malagasy Bible raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina; La Bible en Malgache raha notevatevaina Izy dia tsy mba nanevateva; raha nijaly dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny raharahany ho amin’ny Mpitsara marina; |
Tsia, sanatria aminao ny hanao izany! Raha hovonoinao miaraka amin’ny meloka ny marina, dia hitovy ny marina sy ny meloka. Sanatria Anao izany! Ianao Izay mpitsara ny tany tontolo ve no tsy hitandro ny rariny.
Hitanao fa mijaly sy ory ny mahantra, ka mivonon-kanampy azy hatrany Ianao; Ianao no itokian’ny malemy, sady mamonjy ny kamboty.
mba hitsena ny TOMPO satria tamy Izy: eny, tamy Izy mba hifehy ny tany; dia hifehy ny tontolo araka ny rariny Izy ary hifehy ny firenena araka ny hitsiny.
Nampahorîna ny Mpanompon’ny Tompo, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava akory, tahaka ny zanakondry entina hovonoina sy tahaka ny ondrivavy eo anatrehan’ny manety azy. Eny, tsy niloa-bava akory izy.
Ny antsika roa lahy dia rariny izao, satria valin’ny natao no raisina; fa ny Azy kosa, tsy mba nisy ratsy nataony na inona na inona.
Ary niantso tamin’ny feo mahery i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny aiko! Avy nilaza izany Izy, dia niala aina.
Nisy manko andro anankiray natao hitsaran’Andriamanitra izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny lehilahy anankiray efa voatendriny; ary ny nananganany Azy ho velona avy any amin’ny maty no nataony porofon’izany ho an’ny olona rehetra!
Tompo ô, hitanao ankehitriny ny fandrahonany, koa omeo anay mpanomponao ny hery hitoriana ny teninao amim-pahasahiana tokoa;
Raha nitora-bato azy ny olona, i Stefàna kosa niantso ny Tompo nanao hoe: –Ry Jesoa Tompo ô, raiso ny fanahiko!
Tamin’izay i Saoly dia tsy nanampo afa-tsy ny handrahona sy ny handripaka ny mpianatry ny Tompo. Nanatona ny mpisorombe izy,
Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,
Ary ianareo tompo, manaova toy izany koa amin’ny mpanomponareo, ka atsaharo ny fandrahonana; satria fantatrareo fa na ianareo, na ny mpanomponareo, dia samy an’ilay Tompo Izay monina ao an-danitra sady tsy mba mizaha tavan’olona.
Porofo izany fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, satria vokatr’izay mianjady aminareo dia hatao mendrika ny Fanjakàn’Andriamanitra ianareo, sady io Fanjakàn’Andriamanitra io no anton’ny iaretanareo fijaliana.
ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin’ny andro fitsarana.
Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an’izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin’ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.
Eritrereto tsara i Jesoa, Izay niaritra ny fanoherana mafy nafitsoky ny mpanota taminy; ka aza kivy, aza ketraka ianareo.
Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin’Andriamanitra hanana anjara amin’ny soa nampanantenainy.
Koa izay miaritra fijaliana araka ny sitrapon’Andriamanitra, aoka hanao soa hatrany sy hanankin-tena amin’Ilay mitana ny toky nomeny, dia ny Mpahary azy.
Dia nahita ny lanitra voasokatra aho, ka indro nisy soavaly fotsy niseho. Ilay mitaingina azy dia atao hoe Imahatoky sy Imahitsy. Ara-drariny no itsarany sy iadiany.