Nampiorina mafy an’i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO ô, sady efa tonga Andriamaniny.
1Petera 2:10 - DIEM PROTESTANTA Tsy vahoakan’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos 2.25). Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy vahoakan’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon’Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony. Baiboly Katolika dia ianareo izay tsy vahoakany akory taloha, fa efa vahoakan’Izy Andriamanitra kosa ankehitriny, ary tsy nahazo famindram-po koa taloha, fa efa nahazo ny famindram-pony kosa ankehitriny. Baiboly Protestanta Malagasy dia hianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25). Malagasy Bible dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon'Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos. 2.25). La Bible en Malgache dia ianareo izay tsy firenena akory fahiny, fa ankehitriny efa olon’Andriamanitra; izay tsy namindrana fo, fa ankehitriny efa namindrana fo (Hos 2.25). |
Nampiorina mafy an’i Israely ho vahoakanao mandrakizay Ianao, TOMPO ô, sady efa tonga Andriamaniny.
Rehefa mby amin’izany andro izany, dia ho TOMPO hamaly izay ilaina Aho, hoy ny teny hentitra ambarako: Izaho no hamaly izay ilain’ny lanitra; ny lanitra hamaly izay ilain’ny tany,
Dia mbola nanontany aho hoe: Sao tsy azon’ny vahoaka Israely ny filazana? Valin’izany, dia i Mosesy aloha no milaza hoe: «Hataoko velom-pialonana an’izay tsy firenena ianareo, hoy Andriamanitra; ary hataoko mirehi-pahatezerana amin’izay firenena tsy manan-tsaina!»
Fa ianareo tsy nanaiky an’Andriamanitra fahiny, nefa nahazo famindrampo kosa ankehitriny noho ny tsy faneken’ny Jiosy.
Ary ny amin’ny olona tsy manambady, dia tsy nahazoako didy avy amin’ny Tompo; fa manolotra ny hevitro kosa aho, toy ny olona efa nahazo famindrampo tamin’ny Tompo ka azo itokiana.
na dia nanevateva Azy aza taloha sady nanenjika sy nampahory Azy mafy. Kanefa namindran’Andriamanitra fo aho satria tsy mbola nanam-pinoana ka tsy nahalala izay nataoko.
Koa aoka isika hatoky hanatona ny sezafiandrianan’Andriamanitra, izay toeram-pahasoavana; eo no hahazoantsika famindrampo ary koa hahitantsika fahasoavana, ka hanampian’Andriamanitra antsika amin’ny fotoana ilantsika izany.