Ankehitriny anefa, natao afaka tamin’ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon’Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny farany.
1Petera 1:9 - DIEM PROTESTANTA satria azonareo ilay zava-kendren’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 sady mandray ny anton’ny finoanareo ianareo, dia ny famonjena ny fanahy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara satria azonareo ilay zava-kendren’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. Baiboly Katolika sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahinareo. Baiboly Protestanta Malagasy mandray ny anton’ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy. Malagasy Bible mandray ny anton'ny finoanareo, dia ny famonjena ny fanahy. La Bible en Malgache sady mandray ny anton’ny finoanareo ianareo, dia ny famonjena ny fanahy. |
Ankehitriny anefa, natao afaka tamin’ny fahotana ianareo ary tonga mpanompon’Andriamanitra; ka ny vokatra azonareo dia ny anananareo toetra masina ary fiaina-maharitra mandrakizay amin’ny farany.
Tamim-pinoana no nahafatesan’ireo olona rehetra ireo. Tsy azony akory izay nampanantenain’Andriamanitra azy, kanefa notazanin’ireo sy noarahabainy avy lavitra; ary dia niaiky izy rehetra fa vahiny sy mpivahiny teto an-tany.
Noho izany, ario avokoa ny fahalotoana sy ny haratsiam-panahy rehetra; raiso amin’ny fahalemem-panahy ny teny ambolen’Andriamanitra ao anatinareo sady mahavonjy ny tenanareo.
dia ireo fanahin’ny olona tsy nanaiky an’Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin’ny andro nanamboaran’i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin’ny rano.