Tamin’ny antsapaka ihany koa no nanomezana ireo tanàna avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simehôna ary ny fokon’i Benjamîna, dia ireo tanàna efa voatanisa etsy aloha.
1Tantara 6:51 - DIEM PROTESTANTA Ho an’ireo fianakaviana sasany anisan’ny taranak’i Kehata, dia nisy tanàna ho faritra fonenany avy tamin’ny fokon’i Efraîma; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa ny sasany amin’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin’ny fokon’i Efraima. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ho an’ireo fianakaviana sasany anisan’ny taranak’i Kehata, dia nisy tanàna ho faritra fonenany avy tamin’ny fokon’i Efraîma; Baiboly Katolika Ny sasany amin’ny fianakavian’ny taranak’i Kaata anefa, dia avy amin’ny fokon’i Efraima, ny tanàna azony; Baiboly Protestanta Malagasy Fa ny sasany amin’ny fokon’ny taranak’i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin’ny firenen’i Efraima. Malagasy Bible Fa ny sasany amin'ny fokon'ny taranak'i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin'ny firenen'i Efraima. La Bible en Malgache Fa ny sasany amin’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata dia nahazo tanàna avy tamin’ny fokon’i Efraima. |
Tamin’ny antsapaka ihany koa no nanomezana ireo tanàna avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simehôna ary ny fokon’i Benjamîna, dia ireo tanàna efa voatanisa etsy aloha.
ka nomena azy ireto tanàna fialofana ireto: dia i Sekema, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraîma, i Gezera sy i Jôknehama, i Bety-Hôrôna sy i Aialôna ary i Gata-Rimôna mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;
Ary ireo tarika sisa tamin’ny levita taranak’i Kehata kosa dia ireto tanàna ireto no azony tamin’ny antsapaka.
Ny azon’ny taranak’i Kehata sisa kosa tamin’ny antsapaka dia tanàna folo avy tamin’ny fokon’i Efraîma sy fokon’i Dana ary antsasa-pokon’i Manase any andrefana.