Dia naniraka olona i Davida hanadihady ny momba io vehivavy io, ka izao no voalaza: «I Bàty-Sèba, zanakavavin’i Eliama ary vadin’i Orià ilay Hetita io!»
1Tantara 3:5 - DIEM PROTESTANTA Ireto kosa no naterany tao Jerosalema: i Simehà sy i Sôbaba ary i Natàna sy i Salômôna, ka ity fahefatra ity no tamin’i Baty-Seba zanakavavin’i Hamiela; Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ireto no naterany tany Jerosalema: I Simea, i Sobaba, i Natana ary i Solomona, ireo efa-dahy ireo dia naterany tamin’i Baty-Soa, zanakavavin’i Amiela; Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto kosa no naterany tao Jerosalema: i Simehà sy i Sôbaba ary i Natàna sy i Salômôna, ka ity fahefatra ity no tamin’i Baty-Seba zanakavavin’i Hamiela; Baiboly Katolika Nanjaka tany Jerosalema 33 taona indray izy. Ary ireto no naterany tany Jerosalema: i Simaà, i Sôbaba, i Natàna, i Salômôna, efa-dahy, tamin’i Betsoe zanaka vavin’i Amiela; Baiboly Protestanta Malagasy Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak’i Batsoa, zanakavavin’i Amiela) Malagasy Bible Ary izao no naterany tany Jerosalema: Simea sy Sobaba sy Natana ary Solomona (ireo efa-dahy ireo no naterak'i Batsoa, zanakavavin'i Amiela) La Bible en Malgache Ireto no naterany tany Jerosalema: I Simea, i Sobaba, i Natana ary i Solomona, ireo efa-dahy ireo dia naterany tamin’i Baty-Soa, zanakavavin’i Amiela; |
Dia naniraka olona i Davida hanadihady ny momba io vehivavy io, ka izao no voalaza: «I Bàty-Sèba, zanakavavin’i Eliama ary vadin’i Orià ilay Hetita io!»
Fa hoy i Salômôna namaly an-dreniny: –Nahoana ianao no mangataka an’i Abisaga avy any Sonema ho an’i Adônià? Angataho ho azy koa ny fanjakana satria izy no zokiko; dia ho azy izany sy ho an’i Abiatara mpisorona ary ho an’i Jôaba zanakalahin’i Tseroià?
i Jisay, ray niteraka an’i Davida mpanjaka. I Davida kosa no ray niteraka an’i Salômôna (ary dia ny vadin’i Orià no reniny);
zafiafin’i Meleà, zafin-dohalik’i Menà, zafin-kitrokelin’i Matatà, zafim-paladian’i Natàna, ary zafin-dorian’i Davida;