Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 28:6 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy Izy tamiko: «I Salômôna zanakao no hanorina ny tranoko sy hamboatra ireo kianjako; fa efa nifidy azy Aho, ka izy ho zanako ary Izaho ho rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy NY TOMPO tamiko: I Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy Izy tamiko: «I Salômôna zanakao no hanorina ny tranoko sy hamboatra ireo kianjako; fa efa nifidy azy Aho, ka izy ho zanako ary Izaho ho rainy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hoy Izy tamiko: I Salômôna zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako; fa nofidiko ho zanako izy; ary toy ny ray ho azy Aho.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Izy tamiko: Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy NY TOMPO tamiko: I Solomona zanakao no hanao ny tranoko sy ny kianjako, fa efa nifidy azy ho zanako Aho, ary Izaho ho rainy.

Jereo ny toko



1Tantara 28:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary nandry feizay i Joda sy i Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Salômôna; fa samy niadam-pinaritra teo anivon’ny voalobony sy ny aviaviny ny olona hatreo Dana ka hatrany Beera-Seba.


Dia notanterahin’ny TOMPO araka izany tokoa ny fampanantenana izay nolazainy; fa nandimby an’i Davida raiko ary mipetraka eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely, araka ny voalazan’ny TOMPO, sady efa nanorina ity tempoly ity ho voninahitry ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Koa ankehitriny, ry TOMPO Andriamanitra ô, aoka ho tanteraka ny fampanantenana nataonao tamin’i Davida raiko, satria Ianao no efa nampanjaka ahy tamina vahoaka marobe tahaka ny vovo-tany.


Norefesiny koa ny sakan’ny lalantsara ka nisy folo metatra. Ny kianjan’ny tempoly no nanodidina io lalantsara io.


Nefa mendri-boninahitra kokoa noho i Mosesy i Jesoa, satria ny mpanao trano dia mahazo haja bebe kokoa noho ny trano nataony.


Fa i Kristy kosa dia nahatoky araka ny maha Zanaka Azy, ka mifehy ny tranon’Andriamanitra; ary dia isika izany tranon’Andriamanitra izany, raha mitana ny fahasahiana sy ny fanantenana ireharehantsika.


Ary eto indray dia ny hoe: «Tsy hiditra mihitsy ao amin’ny toeram-pitsaharana nomaniko ireo.»