Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 28:10 - DIEM PROTESTANTA

Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Koa mitandrema, fa efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina NY TOMPO. Mahereza ka mahefà.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indro efa nofidin’ny TOMPO ianao izao mba hanorina tempoly ho Toeramasiny; dia mahereza ka mahefà.»

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Diniho àry izao, fa nofidin’i Iaveh ianao, hanao trano ho fitoerany masina, ka mahereza sy miasà.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Koa mitandrema; fa Jehovah efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina; dia mahereza ka mahefà.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Koa mitandrema, fa efa nifidy anao hanao trano ho fitoerana masina NY TOMPO. Mahereza ka mahefà.

Jereo ny toko



1Tantara 28:10
8 Rohy Ifampitohizana  

Ankehitriny, ry andriamanjaka, ny vahoakan’i Israely rehetra dia miandrandra fatratra ny fanambarànao ampahibemaso ny anaran’izay hipetraka handimby anao eo amin’ny sezafiandriananao.


–Efa ho faty araka ny lalan-kizoran’ny besinimaro aho; koa aoka ianao hahery sy hiseho ho tena lehilahy!


Eny, raha tandremanao hotanterahina ny lalàna amam-pitsipika izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy ho an’ny Israelita, dia hambinina tokoa ianao. Mahereza sy matanjaha, fa aza matahotra na mivadi-po.


Ary hoy koa i Davida tamin’i Salômôna zanany: –Mahereza sy matanjaha ka mahefà! Aza matahotra na mivadi-po fa ny TOMPO Andriamanitra, ilay Andriamanitro, no miaraka aminao. Tsy handao na hahafoy anao Izy mandra-pahavita ny asa rehetra fanatontosana ny tranon’ny TOMPO.


Ary hoy Izy tamiko: «I Salômôna zanakao no hanorina ny tranoko sy hamboatra ireo kianjako; fa efa nifidy azy Aho, ka izy ho zanako ary Izaho ho rainy.


Mitsangàna fa adidinao izao raharaha izao; ary izahay koa vonon-kiaraka aminao. Aoka ho sahinao atao izany!


Tandremo ny tenanao sy ny fampianaranao, ka mahareta amin’ireo adidy ireo; fa raha manao izany ianao, dia hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao.