Fa i Amnôna kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jônadaba sady zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida; ary io Jônadaba io dia tena lalin-tsaina.
1Tantara 27:32 - DIEM PROTESTANTA I Jônatàna, rahalahin-drain’i Davida sady lehilahy hendry sy be fahalalana, dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Jehiela, zanakalahin’i Hakmôny, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 I Jonatana, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolotsaina; lehilahy be fahalalana izy sady mpitantsoratra; i Jehiela, zanak’i Hakmony, no nikarakara ny zanaky ny mpanjaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Jônatàna, rahalahin-drain’i Davida sady lehilahy hendry sy be fahalalana, dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Jehiela, zanakalahin’i Hakmôny, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka. Baiboly Katolika I Jonatàna, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; i Jahiela, zanak’i Hakamonì, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jonatana, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolo-tsaina,–lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak’i Hakmony, dia teo amin’ny zanaky ny mpanjaka; Malagasy Bible Ary Jonatana, rahalahin-drain'i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak'i Hakmony, dia teo amin'ny zanaky ny mpanjaka; La Bible en Malgache I Jonatana, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolotsaina; lehilahy be fahalalana izy sady mpitantsoratra; i Jehiela, zanak’i Hakmony, no nikarakara ny zanaky ny mpanjaka. |
Fa i Amnôna kosa nanan-tsakaiza natao hoe Jônadaba sady zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida; ary io Jônadaba io dia tena lalin-tsaina.
Nihaika ny Israelita izy ka matin’i Jônatàna zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida.
Izao no lisitr’ireo kalazan’i Davida: I Isbahala, zanakalahin’i Hakmônỳ sady filohan’ny «Tariky ny telo lahy». Izy no ilay nampandihy lefona hamelezana fahavalo telonjato lahy ka nahafaty azy tamin’ny ady indray mandeha monja.
Nohantsiny ny Israelita, ka i Jonatàna, zanakalahin’i Simehà izay rahalahin’i Davida, no nahafaty azy.
I Jaziza, izay Hagrita, no mpiandraikitra ny ondry aman’osy. Ireo rehetra ireo no mpiandraikitra ny fananan’i Davida mpanjaka.
I Ahitôfela koa dia mpanolotsain’ny mpanjaka; ary i Hosay, izay Arkita, no sakaizan’ny mpanjaka.