Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 26:15 - DIEM PROTESTANTA

Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

An’i Obeda-Edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ny amin’ny vavahady atsimo, dia azon’i Hôbeda-Edôma, ary ny amin’ny trano fitahirizana entana, dia azon’ireo zanany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ny amin’ny lafiny atsimo, azon’i Obededôma, ary ny trano fitahirizana, an’ny zanany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

An’i Obed-edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano firaketana.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

An’i Obeda-Edoma ny atsimo, ary an’ny zanany ny trano fitahirizan-drakitra.

Jereo ny toko



1Tantara 26:15
5 Rohy Ifampitohizana  

Ny amin’ny vavahady atsinanana, dia azon’i Selemià ny antsapaka. Ny amin’ny vavahady avaratra, dia i Zakarià zanany, izay mpanolotsaina hendry, no niantefan’ny antsapaka natao.


Ny amin’ny vavahady andrefana mbamin’ilay vavahady atao hoe Saleketa izay eo an-tampon’ny lala-miakatra dia azon’ny Hôsà. Nisy anjara fiambenana nifandimbiasana:


ka tamin’ny vavahady atsinanana, nisy levita enina isan’andro; tamin’ny vavahady avaratra, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny vavahady atsimo, nisy levita efatra isan’andro; tamin’ny trano fitahirizana entana, nisy sokajy anankiroa samy levita roa avy;


Dia nalain’i Jôasy avokoa ny volamena sy ny volafotsy ary ny zava-tsarobidy izay hita tao an-tranon’Andriamanitra sady teo ambany fiambenan’i Hôbeda-Edôma na izay hita tao amin’ny raki-tsoan’ny lapan’ny mpanjaka; ary nisy ihany koa olona nalainy hatao takalon’aina. Izay izy vao niverina nankany Samaria.


Ny mpiandry varavarana kosa dia ry i Matanià sy i Bakbokià, i Hôbadià sy i Mesolama, ary i Talmôna sy i Hakoba; andraikiny koa ny fiambenana ireo trano fitobian’entana teo akaikin’ny vavahadin’ny tempoly.