Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 23:4 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy i Davida hoe: ny 24 000 amin’ireo ho tonian’ny asa fanorenana ny tranon’ny TOMPO; ny enina arivo ho mpitantsoratra sy ho mpitsara;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy Davida: Ataoko ho tonian’ny asa ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny efatra arivo sy roa alina amin’ireo, ataoko mpifehy sy mpitsara ny enina arivo,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy i Davida hoe: ny 24 000 amin’ireo ho tonian’ny asa fanorenana ny tranon’ny TOMPO; ny enina arivo ho mpitantsoratra sy ho mpitsara;

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Ary hoy i Davida: «Aoka ny 24.000 amin’izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon’i Iaveh, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin’ireo dia ataoko ho tonian’ny asa ao an-tranon’i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy Davida: Ataoko ho tonian’ny asa ao amin’ny tranon’NY TOMPO ny efatra arivo sy roa alina amin’ireo, ataoko mpifehy sy mpitsara ny enina arivo,

Jereo ny toko



1Tantara 23:4
16 Rohy Ifampitohizana  

Ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 12 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolòna.


Tao Jerosalema koa dia nanendren’i Jôsafata ny sasany tamin’ny levita sy ny mpisorona ary ny filoham-pianakaviana israelita mba hitsara araka ny TOMPO sy handamina ny adin’ny mponina tao an-tanàna.


Tamin’izay koa no voatendrin’i Jôiadà ny olona hitandrina ny tranon’ny TOMPO ka hofehezin’ireo levita mpisorona, izay efa notsinjarain’i Davida ho antokony mba hanolotra ny sorona dorana manontolo ao an-tranon’ny TOMPO araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; ka amin-kafaliana sady ombàn-kira no hanatontosany izany, araka ny fepetra nataon’i Davida.


ka natao tonian’ny mpitondra entana sy mpibaiko ny mpiasa rehetra araka ny anton-draharahany avy; ary tamin’ny levita koa dia nisy mpanoratra sy mpifehy ary mpiandry varavarana.


Ny mpifehy ny levita tao Jerosalema dia i Hozy, zanakalahin’i Banỳ sy zafin’i Hasabià sy zafiafin’i Matanià ary zafin-dohalik’i Mikà; i Hozy dia anisan’ny tarik’i Asafa, ilay tarika mpihira miadidy ny fanompoana ao an-tranon’Andriamanitra.


I Jôela, zanakalahin’i Zikry, no mpifehy azy; ary i Joda, zanakalahin’i Senaà, no lefitry ny komandin’ny tanàna.


Izy no ho mpitsara amin’ny fifanolanana ary hamoaka didim-pitsarana araka ny lalànako. Hankalaza ny fetim-pivavahana araka ny fitsipika sy ny fepetra nataoko izy sady hanokana ny andro sabata ho Ahy.


Fa andraikitry ny mpisorona ny mampianatra ny olona hahalala Ahy Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao; ny mpisorona no anontaniana ny fitsipika tokony hampiharina, satria mpitondrateniko izy.


Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra nankinin’ny Fanahy Masina aminareo mba handrasanareo. Karakarao ny Fiangonana izay novidin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny ra nafoin-Janany.


Mifidiana mpitsara sy mpifehy ao an-tanàna rehetra izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo araka ny fokonareo avy; ary dia ho ara-drariny no aoka hitsaran’ireo ny vahoaka.