Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida: Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay, dia teny hentitry ny lehilahy izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba mba ho voasandratra ho mpanjaka sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:
1Tantara 23:27 - DIEM PROTESTANTA Araka ny faratenin’i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa araka ny faratenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny levita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Araka ny faratenin’i Davida no nanisana ny levita, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra. Baiboly Katolika Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra. Baiboly Protestanta Malagasy Fa araka ny fara-tenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita. Malagasy Bible Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita. La Bible en Malgache Fa araka ny faratenin’i Davida dia nisaina hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra ny levita. |
Izao no fanambaràna farany nataon’i Davida: Teny hentitr’i Davida, zanakalahin’i Jisay, dia teny hentitry ny lehilahy izay voafidin’ilay Andriamanitr’i Jakôba mba ho voasandratra ho mpanjaka sady voahasohason’ireo hiran’i Israely:
Ireo rehetra ireo no taranak’i Levỳ, izay samy lohany teo amin’ny fianakaviany avy, araka ny nanisana azy sy nanoratana anarana azy tsirairay: nanao ny asa fanompoana tao an-tranon’ny TOMPO ireo, nanomboka hatreo amin’ny roapolo taona no ho miakatra.
koa ny levita dia tsy hitondra ny Tranolay fihaonana sy ny fanaka rehetra fanaovana fanompoana momba izany intsony.»
Manolo-tena izy ireo hobaikoin’ny taranak’i Aharôna ny amin’ny fanompoana ao an-tranon’ny TOMPO na momba ireo kianja aman’efitrano izany na momba ny fanadiovana ireo fitaovana masina rehetra. Ny raharaha mifandray amin’ny fanompoana ny tranon’Andriamanitra dia ireto:
Natao fanisana tsirairay ireo vatan-dehilahy levita, hatramin’ny telopolo taona no ho miakatra, ka 38 000 no isany.
Ny fanoratana ny mpisorona moa dia natao araka ny fianakaviany avy; fa ny levita kosa, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra, dia nosoratana araka ny anjara raharahany sy araka ny antokony avy.
Hiandraikitra ny fanaka rehetra momba ny Tranolay fihaonana izy ary ho vonona hanompo ny Israelita ka hanatanteraka izany ao amin’ny Tranolay.