Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 23:1 - DIEM PROTESTANTA

Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony efa ela niainana sy tratra antitra tsara i Davida dia i Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ny Israely.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony efa tratrantitra sy voky andro i Davida, dia i Salômôna zanany lahy no nataony mpanjaka tamin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony efa tratra antitra sy feno andro i Davida, dia i Salômôna zanany no natsangana ho mpanjaka tamin’i Israely.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ny Isiraely.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony efa ela niainana sy tratra antitra tsara i Davida dia i Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin’ny Israely.

Jereo ny toko



1Tantara 23:1
12 Rohy Ifampitohizana  

dia niala aina izy ka maty tamim-pahanterana rehefa fotsy volo tsara sy voky andro, ary voakambana tamin’ny razany.


no niala aina izy ka maty; ary efa tratra antitra izy vao nakambana tamin’ny razany. I Hesao sy i Jakôba zanany no nandevina azy.


Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana.


Moa ve baiko avy taminao, ry andriamanjaka, no nahatonga izany? Fa izahay mpanomponao ireto tsy mba nampahafantarinao izay handimby anao eo amin’ny sezafiandriananao.


koa mianiana aminao aho fa hotanterahiko anio izay efa nampanantenaiko taminao teo anatrehan’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely hoe: «I Salômôna zanakao no hanjaka handimby ahy ka hipetraka eo amin’ny sezafiandrianako».


I Salômôna no nipetraka teo amin’ny sezafiandrianan’i Davida rainy ary niorina tsara ny fahefàm-panjakany.


Novoriny koa ny lehibe rehetra tamin’i Israely mbamin’ny mpisorona sy ny levita.


Tamin’ny zanakalahiko rehetra kosa (fa nomen’ny TOMPO zanakalahy maro aho), dia i Salômôna zanako no nofidiny hipetraka eo amin’ilay sezafiandrianana manambara ny fanjakàn’ny TOMPO amin’i Israely.


Efa tratra antitra tsara sady voky andro sy heni-karena amam-boninahitra izy vao maty; ary i Salômôna zanany no nanjaka nandimby azy.


Ho tratra antitra nefa havitrika ianao ambara-piditrao any am-pasana, dia ho tahaka ny amboaram-bary izay akarina ho antontany amin’ny fotoam-pararano.