Rehefa tafapetraka tao an-dapany ny mpanjaka ary nampiadanin’ny TOMPO tamin’ireo fahavalony manodidina azy rehetra,
1Tantara 22:18 - DIEM PROTESTANTA –Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tsy momba anareo va NY TOMPO Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ny tany; ary ny tany dia efa resy teo anoloan’NY TOMPO sy teo anoloan’ny olony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara –Tsy miaraka aminareo ve ny TOMPO Andriamanitra? Nomeny fandriampahalemana eo amin’ny manodidina rehetra ianareo, nony natolony ho ambany fifehezako ny mponina taloha tamin’ity tany efa resy teo anoloan’ny TOMPO sy teo anoloan’ny vahoakany ity. Baiboly Katolika «Tsy momba anareo va i Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin’ny manodidina rehetra va ianareo? Fa ny mponina amin’ny tany efa natolony teo an-tanako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan’i Iaveh, sy teo anoloan’ny vahoakany. Baiboly Protestanta Malagasy Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tànako ny mponina amin’ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan’i Jehovah sy teo anoloan’ny olony. Malagasy Bible Tsy momba anareo va Jehovah Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin'ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin'ny tany; ary ny tany efa resy teo anoloan'i Jehovah sy teo anoloan'ny olony. La Bible en Malgache Tsy momba anareo va NY TOMPO Andriamanitrareo ka efa nampiadana anareo amin’ny manodidina? Fa efa natolony teo an-tanako ny mponina amin’ny tany; ary ny tany dia efa resy teo anoloan’NY TOMPO sy teo anoloan’ny olony. |
Rehefa tafapetraka tao an-dapany ny mpanjaka ary nampiadanin’ny TOMPO tamin’ireo fahavalony manodidina azy rehetra,
Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho olona tia fandriampahalemana sady homeko fandriampahalemana eo anoloan’ny fahavalo rehetra manodidina azy. Ny anarany manko hatao hoe Salômôna –izany hoe ‹tia fiadanana› –ary homeko fiadanana sy fandriampahalemana i Israely amin’ny andro hanjakany.
Hoy manko i Davida hoe: «Ny TOMPO, Andriamanitr’i Israely dia efa nanome fandriampahalemana ho an’ny vahoakany, sady honina mandrakizay eto Jerosalema;
Nandry feizay ny Fiangonana manerana an’i Jodea sy i Galilea ary i Samaria manontolo: nandroso tsara, nizotra tamin’ny fanoavana ny Tompo, ary nihamaro noho ny fampaherezan’ny Fanahy Masina.
Koa inona àry no mbola holazaintsika eo anoloan’izany? Raha Andriamanitra no momba antsika, iza no hahatohitra antsika?
Fa ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hampandresy anareo.»
Koa ny mpanjaka rehetra mbamin’ny taniny manontolo dia nalain’i Josoa tamin’ny famelezana indray mandeha ihany, satria ny TOMPO Andriamanitr’i Israely mihitsy no niady ho an’ny Israelita.
Ankehitriny, araka izay efa nampanantenainy, dia nomen’ny TOMPO Andriamanitrareo fandriampahalemana ny mpiray firenena aminareo; koa mahazo miverina any an-dainareo ianareo ankehitriny, any amin’ny tany izay efa nomen’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO ho anareo eny ampita atsinanan’i Jôrdàna.
Fotoana ela taorian’ny nanomezan’ny TOMPO fandriampahalemana ho an’i Israely ka nanafahany azy tamin’ireo fahavalo rehetra nanodidina azy, dia efa antitra be i Josoa.
Mifona aminao aho, tompoko, mba avelao re ny fahadisoan’ny mpanomponao, fa hampaharitra tokoa ny fanjakanao sy ny an’ny taranakao ny TOMPO satria ny adin’ny TOMPO no imasoanao, ary tsy hisy ratsy hanimba anao amin’ny andro rehetra iainanao.