Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 20:5 - DIEM PROTESTANTA

Dia nisy ady tamin’ny Filistinina indray. Ka i Elihanàna, zanakalahin’i Jahîry, no nahafaty an’i Lahemỳ, rahalahin’i Gôliata avy any Gata, dia i Gôliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nisy ady indray tamin’ny Filistina, ary i Elanana, zanak’i Jaira, dia namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nisy ady tamin’ny Filistinina indray. Ka i Elihanàna, zanakalahin’i Jahîry, no nahafaty an’i Lahemỳ, rahalahin’i Gôliata avy any Gata, dia i Gôliata izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nisy ady tamin’ny Filistinina koa, izay nahafatesan’i Elkanàna zanak’i Jaira, an’i Lakmì rahalahin’i Gôliata, avy any Geta, ilay nanan-defona hoatry ny voditenon’ny mpanenona ny zarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia nisy ady tamin’ny Filistina indray ary Elanana, zanak’i Jaïra, namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia nisy ady tamin'ny Filistina indray ary Elanana, zanak'i Jaira, namono an'i Lamy, rahalahin'i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon'ny mpanenona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nisy ady indray tamin’ny Filistina, ary i Elanana, zanak’i Jaira, dia namono an’i Lamy, rahalahin’i Goliata gatita, izay nanana zaran-defona tahaka ny voditenon’ny mpanenona.

Jereo ny toko



1Tantara 20:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Mbola nisy ady hafa tao Gôba, ary tamin’izay i Elehanàna zanakalahin’i Jahiry-Ôregima sady avy any Betlehema, no namono ho faty an’i Gôliata avy any Gata, izay nanana zaran-defona vaventy tahaka ny voditenon’ny mpanenona.


Mbola izy koa no nahafaty ilay Ejiptianina izay roa metatra sy sasany ny halàvany sady nirongo lefona lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona. Tehina no namelezany azy, dia nosarihany teny an-tanan’ilay Ejiptianina ny lefony ka iny ihany no namonoany azy ho faty.


Nisy ady koa tao Gata. Tao dia nisy lehilahy anankiray avo be sady enin-drantsana isan-tanana aman-tongotra ka dia 24 no fitambarany; taranak’i Rafà koa izy.


Dia nisy rapeton’olona nivoaka ny tobin’ny Filistinina mba hihantsy ady amin’ny Israelita; ny anarany dia i Gôliata, ary avy any Gata izy. Nirefy tokony ho telo metatra izy.


Nitondra lefona iray koa izy ka ny zarany dia lehibe toy ny voditenon’ny mpanenona ary ny lelany dia vy mihoatra ny fito kilao. Nisy miaramila iray mpitondra ny ampingany ka mialoha azy.


Hoy indray i Davida tamin’i Ahimelèka: –Manan-defona na sabatra ve ianao ato? Maika loatra ny iraka nampanaovin’ny mpanjaka ahy, dia tsy voaraiko intsony mbamin’ny sabatro sy ny fiadiako hafa.


Ary i Ahimelèka nanontany ny TOMPO ho azy, sady namatsy azy no nanome azy ilay sabatr’i Gôliata Filistinina.