Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 20:3 - DIEM PROTESTANTA

ary ny mponina izay tao dia navoakany ka notereny hiasa amin’ny tsofa sy ny hersa ary ny famaky. Nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanàna hafa rehetra fonenan’ny Hamônita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Navoakany koa ny olona izay tao ka nasainy niasa tamin’ny tsofa sy tamin’ny ragiragy lehibe ary ny famaky; toy izany no nataon’i Davida tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

ary ny mponina izay tao dia navoakany ka notereny hiasa amin’ny tsofa sy ny hersa ary ny famaky. Nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanàna hafa rehetra fonenan’ny Hamônita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Babo be dia be no nentiny avy ao an-tanàna. Ary ny vahoaka hita tao dia navoakany, ka noriatiny tamin’ny tsofa aman-dapìka vy sy famaky. Sady nataon’i Davida toy izany avokoa ny tanànan’ny taranak’i Amôna rehetra. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida mbamin’ny vahoakany rehetra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ny tsofa sy tamin’ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’i Davida tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin'ny tsofa sy tamin'ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon'i Davida tamin'ny tanànan'ny taranak'i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Navoakany koa ny olona izay tao ka nasainy niasa tamin’ny tsofa sy tamin’ny ragiragy lehibe ary ny famaky; toy izany no nataon’i Davida tamin’ny tanànan’ny taranak’i Amona rehetra. Avy eo dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny vahoaka rehetra.

Jereo ny toko



1Tantara 20:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Nataon’i Davida sesitany ny mponina izay tao ka nampiasainy mafy tamin’ny tsofa sy ny lapika ary ny famaky na notereny ho mpandasitra biriky. Nataony toy izany avokoa ireo tanàna hafa rehetra fonenan’ny Hamônita. Dia niverina nankany Jerosalema i Davida sy ny tafiny manontolo.


Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.


sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.


Tao ireo maty notoraham-bato, tapa-droa notsofàna, novonoina tamin-tsabatra; tao ireo nafindrafindra monina nitafy hoditr’ondry na hoditr’osy, ka nahantra sy nampahorîna ary fadiranovana.


Ankehitriny dia voaozona ianareo, ka tsy hitsahatra ny hanompo, satria ho mpaka kitay sy mpantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitro ianareo.