Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 19:16 - DIEM PROTESTANTA

Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia naniraka olona hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan’ny ony Eofrata; ary i Sôfàka, filohan’ny tafik’i Hadadehezera, no nitarika azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nandefa iraka izy haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata, ary i Sobaka, lehiben’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa nahatsapa ny fahareseny teo anoloan’ny Israelita ireto Sirianina ireto, dia naniraka olona hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan’ny ony Eofrata; ary i Sôfàka, filohan’ny tafik’i Hadadehezera, no nitarika azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Rehefa hitan’ny Sirianina fa resy teo anatrehan’i Israely izy, dia naniraka olona haka ny Sirianina tany an-dafin’ny ony izy; ary i Sôfàka komandin’ny tafik’i Adarezera no nitarika azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nony hitan’ny Syriana fa resy teo anoloan’ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin’ny Ony; ary Sobaka, komandin’ny miaramilan’i Hadarezera, no nitarika azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nony hitan'ny Syriana fa resy teo anoloan'ny Isiraely izy, dia naniraka olona izy haka ny Syriana izay tany an-dafin'ny Ony; ary Sobaka, komandin'ny miaramilan'i Hadarezera, no nitarika azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nony hitan’ny Arameana fa resy teo anoloan’ny Israely izy dia nandefa iraka izy haka ny Arameana izay tany andafin’ny ony Eofrata, ary i Sobaka, lehiben’ny miaramilan’i Hadadezera, no nitarika azy.

Jereo ny toko



1Tantara 19:16
7 Rohy Ifampitohizana  

Naniraka olona i Hadadehezera mba hanetsika ny Sirianina izay tany am-pitan’ny ony Eofrata. Dia tonga tao Helama ireo; ary i Sôbàka filohan’ny tafik’i Hadadehezera no nitarika azy.


Nony hitan’ny Hamônita fa nandositra ny Sirianina, dia mba nandositra teo anatrehan’i Abisay, rahalahin’i Jôaba, koa ry zareo ka nitsofoka tao an-tanàna. Dia niverina ho any Jerosalema ry i Jôaba.


Nambara tamin’i Davida izany; koa namory ny tafika israelita manontolo izy, dia niampita an’i Jôrdàna, ary tonga teo akaikin’ny Sirianina ka nilahatra hiady aminy. Vao nalahatr’i Davida hiady amin’ny Sirianina ny miaramilany, dia namely azy ny Sirianina;


Nahoana no mihotakotaka ny firenena? Ireo vahoaka mikomy amin’ny tsinontsinona;


Mangovita ianareo, ry firenena, ka mihorohoroa fatratra! Aoka hanongilan-tsofina ianareo, ry faritra rehetra any lavitra any: hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra; eny, hirongo fiadiana tokoa ianareo, nefa hihorohoro fatratra.