Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




1Tantara 18:3 - DIEM PROTESTANTA

Mbola resin’i Davida koa i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà, akaikin’i Hamata; tamin’iny nanitaran’i Hadadehezera ny fanjakany teny amoron’ny ony Eofrata iny indrindra no nandresen’i Davida azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Dia resin’i Davida koa i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba akaikin’i Hamata, tamin’izy nandeha nampiorina ny fanjakany tany amoron’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mbola resin’i Davida koa i Hadadehezera mpanjakan’i Tsôbà, akaikin’i Hamata; tamin’iny nanitaran’i Hadadehezera ny fanjakany teny amoron’ny ony Eofrata iny indrindra no nandresen’i Davida azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Resin’i Davida koa i Adarezera mpanjakan’i Sobà eny akaikin’i Hamata, tamin’izy teny an-dalana nandeha hampiorina ny fanjakany amin’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia resin’i Davida koa Hadarezera, mpanjakan’i Zoba akaikin’i Hamata, tamin izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia resin'i Davida koa Hadarezera, mpanjakan'i Zoba akaikin'i Hamata, tamin'izy lasa nampiorina ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Dia resin’i Davida koa i Hadadezera, mpanjakan’i Zoba akaikin’i Hamata, tamin’izy nandeha nampiorina ny fanjakany tany amoron’ny ony Eofrata.

Jereo ny toko



1Tantara 18:3
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay andro izay ny TOMPO dia nanao fanekempihavanana tamin’i Abrama, ka niteny hoe: –Omeko ny taranakao ity tany ity, manomboka eo amin’ny ranon-driakan’i Ejipta ka hatrany Eofrata ony lehibe


Tsapan’i Hamônita fa tonga halan’i Davida izy. Koa naniraka olona ireo mba hanarama Sirianina avy any Bety-Rehôba sy avy any Tsôbà, dia miaramila an-tongotra miisa antokony roapolo; nokaramainy koa ny lehilahy antokony iray avy amin’ny mpanjakan’i Mahekà ary ny lehilahy antokony 12 avy any Tôba.


Mbola resin’i Davida koa i Hadadehezera, zanakalahin’i Rehôba sady mpanjakan’i Tsôbà; tamin’i Hadadehezera ndeha haka indray ny faritry ny onin’i Eofrata izany.


Nandresy ny Môabita koa izy; dia tonga olom-pehezin’i Davida ireo sady mpandoa hetra ho azy.


Kalesy arivo sy mpitaingin-tsoavaly fito arivo ary miaramila an-tongotra 20 000 no voababon’i Davida taminy; saingy nasain’i Davida nokapain-tongotra avokoa ny soavalin-kalesy fa ny tokony ho amin’ny kalesy zato ihany no sisa notazoniny.


Dia nanafika an’i Hamata-Tsôbà i Salômôna ka naharesy azy.


Efa nisy mpanjaka mahery izay nanjaka tany Jerosalema, ka nanapaka ny tany rehetra any andafy andrefan’ny ony Eofrata sady nandoavana hetra sy haba ary sara.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny gitara. Hira malefaka fahatsiarovana, nataon’i Davida ho fampianarana.


Tsiahivin’i Davida etoana ny nanafihany an’ireo Sirianina tany Mezôpôtamia sy tany Tsôbà; rehefa nody kosa, dia noresen’i Jôaba ny tafika edômita nisy miaramila 12 000.


Ny faritaninareo dia hataoko mahafaoka hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ka hatrany amin’ny ranomasina Mediteranea, ary hatreo amin’ny taniefitr’i Sinay ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hatolotro ho eo an-tananareo ny mponina amin’ireo faritany ireo ka horoahinareo.


Rehefa tonga mpanjakan’i Israely i Saoly, dia niady tamin’ireo fahavalony rehetra izay nanodidina azy, izany hoe ny Môabita, ny Hamônita, ny Edômita, ny fanjakan’i Tsôbà ary ny Filistinina. Fandresena hatrany no azony tamin’izay rehetra niadiany.